• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Elle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goûter ho an’ny ankizy : ny fomba fanaovana mofo vomanga

01/08/2024 15:46 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana antsika ray aman-dreny ny mikaroka « goûter » karakaraina ho an’ny ankizy amin’izao fialantsasatra izao. Isan’ireo aninkotrana fahandro ao an-trano sy mahavoky ny vomanga. Tsara raha ovaovaina ny fikarakarana azy ireny mba tsy ho leo ny ankizy ka ny fanaovana mofo vomanga indray ary no andeha atoro eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo vomanga

-Vomanga 800g ;
-Atody 1 ;
-Lafarina 150g ;
-Ronono fahefany ;
-Siramamy mena 5 hatramin’ny 8 sotro ;
-Dibera ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny mofo vomanga

Sasana tsara ny vomanga ary andrahoina miaraka amin’ny hodiny. Rehefa masaka sy malemy dia voasana avy eo potserina amin’ny sotrorovitra toy ny manao « purée ».
Atao anaty saladier na koveta kely dia arotsaka ao ny lafarina, ny atody, ny dibera, ny ronono ary ny siramamy. Polesina amin’ny tanana mba hifangaro tsara.
Rehefa mifangaro tsara daholo ireo akora rehetra dia volavolaina amin’ny tanana indray mba ahazoana boribory toy ny henabaolina. Avy eo fisahana, tsy atao manify loatra.
Hafanaina anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka hanendasana. Atao mamay tsara ny menaka vao arotsaka ireo mofo vomanga. Avadika amin’ny lafiny ilany rehefa hita fa mahazo loko.

Fanamarihana

Fikarakarana mofo vomanga natao mamy moa ity natoro ity. Marihana nefa fa azo atao tsara ihany koa ny mikarakara ity nahandro ity atao masira. Tsy asiana siramamy fa asiana sira kely miaraka amin’ny tongolo maitso.

Lire la suite

Articles Similaires