• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Vie Naturelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tongotra lanin’ny kiraro : torohevitra ampitoniana izany

01/08/2024 13:36 © Moov.Mg

Tranga efa nahazo ny ankamaroantsika ny hoe lanin’ny kiraro. Rehefa manao kiraro vaovao na kiraro somary tery no matetika tratr’izany. Manaintaina ary mampijaly tokoa moa ny poa-drano sy ny ratra aterak’izany. Ahoana ary ny atao mba hampitoniana ny tongotra laninin’ny kiraro ?

Ny tokony atao rehefa avy manala kiraro

Rehefa esorina ny kiraro nanaikitra dia tokony ho hita hoe misy poa-drano na ratra eo amin’ilay faritra lanin’ny kiraro. Mba ampitoniana izany ary dia ireto no atao rehefa avy manala ilay kiraro :
-Manomana rano mafana nasiana sira anaty koveta. Raha ohatra ka rano 3 litatra no natao dia sira 3 sotro fihinanana no afangaro aminy.
-Alona ao anatin’io rano mafana misy sira io ilay tongotra misy lanin’ny kiraro. Mety anaintaina izany amin’ny voalohany fa rehefa afaka minitra vitsy dia ahazo aina ilay tongotra.
-Avela hilona ao mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny tongotra. Rehefa vita izay dia hamainina moramora amin’ny serveta madio ilay tongotra.
-Aorian’izay dia jerena ilay poa-drano. Raha lehibe izany dia mety hanakana ny fanaovana kiraro mihidy. Tsara izany raha esorina ilay rano ao anatiny. Ho fanatanterahana izany dia diovina tsara amin’ny alikaola ny fanjaitra ary goahana kely ilay poa-drano hivoaka ilay rano. Raha azo atao nefa tsara raha tsy goahana izy ireny mba ahamora sitrana azy sy hisorohana ny mety hidiran’ny otrikaretina ao anatin’ilay ratra.

Ireo akora natoraly manampy amin’ny fampitoniana ny tongotra lanin’ny kiraro

Amin’ny ankapobeny dia sitrana ho azy ny tongotra lanin’ny kiraro rehefa afaka andro vitsy. Mety hanelingelina sy hanaintaina kosa nefa izany amin’ny voalohany ka ireto ary misy akora natoraly azo ampiasaina mba ampitoniana ny fanaintainana sy anafaingana ny fahasitranany :

Vahona

Akora natoraly manampy betsaka amin’ny fikolololoana ny vatana ary koa amin’ny fanasitranana ireo tsy metimety amin’ny vatana amin’ny andavanandro ny vahona. Raha misy maratra na misy poa-drano ny tongotra lanin’ny kiraro dia osorana ditin’ny vahona eo amin’ilay faritra marary sy efa voadio. Fonosina « compresse » ary entina matory.

Karibonetra

Mandaitra amin’ny fampitoniana sy fanasitranana ny ratra na ny poa-drano eo amin’ny tongotra lanin’ny kiraro ihany koa ny karibonetra. Alaina ny rano 200ml ary arotsaka ao ny karibonetra 20g ary ny « eau oxygénée » 40ml. Aroharoana tsara avy eo io fangaro io no petapetahana moramora eo amin’ilay ratra amin’ny alalan’ny coton tige. Atao in-2 isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires