• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « flan aux fraises »

31/07/2024 14:54 © Moov.Mg

Vokatra izao ny frezy. Mbola mora vidy sy tsara tarehy izy ireny eny an-tsena eny. Fantatrao ve fa azo atao ihany koa ny mikarakara « flan aux fraises » ? Karazana « flan » miala amin’ny mahazatra nefa dia matsiro tokoa ity atoro antsika eto ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « flan aux fraises »

-Frezy 400g ;
-Lafarina 8 sotro fihinanana ;
-Siramamy 8 sotro fihinanana ;
-Ronono 40 sl ;
-Atody 3 ;
-Dibera ;
-Sucre glace.

Fomba fikarakarana azy

Sasana madio tsara ny frezy ary avela hitsihika. Avy eo tetehina boribory tsy atao fisaka loatra ireo frezy ireo.
Kapohana anaty saladier ny atody sy ny siramamy.
Rehefa mitambatra tsara dia arotsaka ao ny ronono ary tohizana kapohana indray.
Afafy anatin’io fangaro io ny lafarina avy eo aroharoana hifangaro.
Arotsaka ao anatin’io paty io ny dibera avy natsonika.
Rehefa vonona ny paty dia araraka anaty lapoaly. Ataingina eo ambony afo malefala mandritra ny 5 minitra.
Alahatra eo ambonin’ilay paty ireo frezy voatetika. Somary tsindriana kely ny frezy tsirairay mba hiletika kely anatin’ny paty.
Tohizana andrahoina mandritra ny 10 minitra ny nahandro. Rehefa vita izay dia avadika amin’ny lovia ilay « flan » avy eo averina atao anaty lapoaly fa ilay « face » tao ambadika indray no ambany. Masahana 10 minitra indray izany.
Rehefa masaka dia avela hangatsiaka ivelan’ny afo avy eo fafazana ny sucre glace.
Tohizana 10 minutes ny nahandro, Avadika aminy vilia ny flan andrahoina ny face ilany ( rehefa mi-cuisson).

Lire la suite

Articles Similaires