• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hhp
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Cyphose dorsale » na hoe mivokoka, « ndeha ho resahana !

31/07/2024 14:25 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo olona manao « cyphose dorsale » na hoe mivokoka hoy isika. Izany hoe tsy mahintsy tsara ny lamosina rehefa mitsangana na mipetraka fa toy ny miohoka mankany aloha izany eo anivon’ny hatoka. Misy fotoana moa misy toa ny « bosse » mihintsy. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « cyphose dorsale ».

Inona no antony mety mahatonga ny « cyphose dorsale » ?

Samy mety ho tratry ny « cyphose dorsale » ity avokoa na ny ankizy na ny tanora na ny olon-dehibe. Matetika moa dia eo amin’ny tanora anelanelan’ny 11 hatramin’ny 14 taona eo izy io no mipoitra. Maro ireo antony mety mahatonga azy :
-Ny fomba fipetrahana tsy mahintsy tsara. Rehefa mihohoka mijery « écran » foana na mipetraka tsy miankina dia vizaka ny hozatra ao amin’ny lamosina ary misintona ny hazon-damosina ho any aloha.
-Ny fitomboan’ny tanora. Misy amin’ireo adolantsento sy tanora no lasa mivokoka rehefa mihalehibe. Tsy fahatomombanana eo amin’ny fitomboan’ny « vertèbres » no mahatonga izany.
-Ny aretina mahazo ny taolana. Misy ihany koa ireo aretina mahavoa ny taolana, toy ny « ostéopérose » no lasa mampalemy ny taolana sy mitarika ny « cyphose dorsale ».

Inona ny fambara ahafantarana ny « cyphose dorsale » ?

Isan’ireo fambara ahafantarana fa manao « cyphose dorsale » ny olona iray raha toa ka :
-Mivokoka eo amin’ny hatoka na ny lamosina rehefa mitsangana na rehefa mipetraka ;
-Mahatsapa fanaintainana ao amin’ny lamosina rehefa mijoro na mipetraka tsy misy fiankinana maharitra ;
-Matsiaro reraka sy torovana matetika eo amin’ny lamosina ;
-Mahatsapa tsy avy miaina toy ny sempontsempotra rehefa « grave » ilay « cyphose » satria lasa manery ny avokavoka izany.

Ahoana ny fitsaboana ny « cyphose dorsale » ?

Miankina amin’ny antony mahatonga azy sy ny fahasarotany ny fitsaboana ny « cyphose dorsale ». Isan’ireo fitsaboana hampitoniana sy hanintsiana izany ny :
-Fanaovana « exercices spécifiques » izay manampy amin’ny fanamafisana ny hozatry ny lamosina sy amin’ny fanintsiana ilay mivokoka ;
-Kinésithérapie ;
-Fanaovana « corset » izay vokatra iray manokana noforonina amin’ny fanintsiana ny lamosina ;
-Fandidiana ho an’ireo tranga efa misy fahasarotana.

Ireo fomba atao hisorohana izany

Tsy azo sorohana 100% ny « cyphose dorsale » satria misy amin’izy ireny no vokatry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny taolana. Mba hampihena ny « risques » mety ahavoa azy io kosa nefa dia tsara raha :
-Atao mahintsy tsara hatrany ny lamosina rehefa mipetraka na rehefa mijoro ;
-Manao fanatanjahantena matetika mba hanamafisana ny hozatra, indrindra ny ao amin’ny lamosina ;
-Mampiasa seza « ergonomiques » izay mitazona tsara ny lamosina rehefa miankina ;
-Matory eo ambony kidoro mafy tsara sy ondana mampahazo aina.

Lire la suite

Articles Similaires