• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Jirofo : "Epice" vokarina eto Madagasikara, fanafody nify sady manala fanaintainana

31/07/2024 07:17 © Moov

Anisan'ny firenena mpamokatra jirofo i Madagasikara. Karazana hanitra tsara fofona izy io, saingy tsy dia mahavantana loatra ny mampiasa azy amin'ny sakafo. Ireo mpamokatra "huiles essentielles" mahasoa ny fahasalamana no tena manjifa azy eto an-toerana.

Mbola vitsy isika Malagasy no zatra mampiasa jirofo, raha oharina amin'ny lavanila. Rehefa maheno ny hoe "jirofo" dia ny fanondranana entana any ivelany no tonga ao an-tsaina. Amporisihina nefa isika hianoka ny vokatsoan'io vokatra io, indrindra mba hahasoa ny fahasalamana. Ireto àry misy teboka vitsivitsy tsara fantarina, mikasika ny fiantraikan'ny jirofo amin'ny vatan'olombelona :

Mampihena fanaintainana

Anisan'ny "antidouleur" tena mandaitra ny Jirofo. Manala fanaintainana izy na hanina na apetraka fotsiny. Raha marary nify ohatra dia apetraka eo amin'ilay misy goaka ny "clou de girofle" ka tsy tokony harary intsony izany. Tsy mihitatra intsony ihany koa ny lavaka amin'ny goaka. Azo ampiasaina ihany koa ny "huile essentielle de girofle" hitsaboana nify, ka indray na indroa mitete dia ampy. Raha atao fanafody sotroina izy dia mampihena ny faharenesana marary raha tratran'ny aretin'ny taolana (arthrose na rhumatisme). Mandaitra ihany koa ny ranona jirofo ho an'ireo vehivavy tonga fotoana ka mahare marary (règle douloureuse).

Mahatsara ny fandevonankanina

Manafaingana ny fiasan'ireo taova fandevonankanina ny jirofo. Raha mahatsiaro hoe mavesabesatra ny vavony na misy rivotra ny tsinay dia azo atao tsara ny misotro dite mafana vita amin'ny jirofo. Tsara raha tsy asiana siramamy ny dite, mba hampiasa tsara azy. Raha hanao izany dite izany dia Clou de girofle miisa 5 no atao anaty rano mangotraka fefa-litatra. Tsy atao eo ambony afo intsony ny rano fa saromana fotsiny, ka rehefa afaka 10 minitra dia esorina ny jirofo.
Mahatsara ny fitadidiana, manala havizanana
Mampiasa tsara ny atidoha sy ny mampitombo ny hery fiarovana ny jirofo. Rehefa vizambizana iny dia tsara mihitsy ny misotro dite misy jirofo. Miaro ny olona tsy ho tratran'ny harerahana be loatra (fatigue générale) sy ny tsy fahampiandrà izany. Fantatra ihany koa fa manampy amin'ny fikolokoloana ny fitadidiana sy ny fifantohana izany vokatra izany. Mahasoa ny sokanjin-taona rehetra ny jirofo, saingy ferana 3 kaopy isan'andro ihany no sotroina raha dite no andraisana azy.

Mahatsara volo

Raha manana menaka jirofo dia azo itsaboana tsara ny volo vakivaky na tapatapaka izany. Manankarena vitamina C sy K, kalsioma ary manesioma mantsy ny jirofo. Tsy ny volo misy olana ihany nefa no azo ampiasana ny menaka jirofo. Azo ampiasaina tsara itazomana ny hatsarana natoralin'ireo karazam-bolo rehetra ny vokatra. Voalazan'ireo manampahaizana ihany koa fa mamono ny hao sady manala angadrano ny jirofo.

Manome hanitra ny sakafo

Amin'ny maha-épice azy, azo atao tsara amin'ny sakafo ny jirofo, ka ny vovony no ampiasaina amin'izany. Ireo tia sakafo manimanitra toy ny nahandro karana no tena mankafy azy : atao amin'ny sakafo hanina mafana toy ny lasopy. Mahatsara tsiro ny hena ihany koa ny jirofo. Raha vao hanandrana, ny nahandro mamy no tena ampiasana io vokatra io. Tsy inona izany fa ny mofomamy sy ny gilasy.

Lire la suite

Articles Similaires