• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Greenweez
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « pâte à tartiner » ao an-trano

30/07/2024 16:40 © Moov.Mg

Isan’ny ireo fangaro ankafizin’ny ankizy atao amin’ny mofo maraina na rehefa « goûter » ny « pâte à tartiner ». Lafo vidy tokoa nefa izy ireny rehefa vidiana eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « pâte à tartiner au chocolat » ho an’ireo maniry hanamboatra izany ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pâte à tartiner »

Zinga iray tapaky ny litatra no ampiasaina amin’ny famarana ny akora rehetra
-Voanjo 1 zinga ;
-Cacao fahefan’ny zinga ;
-Siramamy voatoto manify tapaky ny zinga ;
-Sira 2 tsongo ;
-Menaka 5 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Totoina anaty mixeur mandritra ny 5 minitra ny voanjo efa masaka sy voavaofy. Atao mihato isaky ny 1 minitra ny mixeur ary kaofina amin’ny sotro hihidina ampovoany ny voanjo mba ho voatoto tsara daholo. Rehefa mihamalemy ny voanjo dia mivoaka ny menaka ao aminy.
Arotsaka ao manarak’izay ireo akora rehetra ambiny dia ny cacao, ny siramamy, ny sira sy ny menaka. Miaraka totoina anaty mixeur daholo mandrapahazoana ny paty tadiavina. Azo asiana vovon-dronono 3 sotro fihinanana raha tiana ampiana tsiro kely.
Fanamarihana
Tandremana tsara tsy asiana ronono velona na rano ity « pâte à tartiner » ity manjary mora simba. Afaka tehirizina anaty vata fampangatsiahana hatramin’ny 2 herinandro. Saromana tsara ny bocal asiana azy ary sotro madio sy maina hatrany ho handoarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires