• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pied Et Cheville
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantratra mikasika ny « ongles incarnés »

30/07/2024 16:16 © Moov.Mg

Ny atao hoe « ongle incarné » dia ny filentahan’ny hoho anatin’ny nofo. Matetika moa dia eo amin’ny ankihibe tongotra izany no miseho. Manaintaina tokoa ny « ongle incarné » ary mety mila fandidiana mihintsy ny mitsabo azy raha tena milentika lalina anaty hoho izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « ongle incarné ».

Inona no mety mahatonga ny « ongle incarné » ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona tratry ny « ongle incarné ». Anisan’izany ny :
-Fanapahana ny hoho ho lasa fohy kely na somary boribory ka lasa maniry anatin’ny nofo ilay hoho ;
-Fanaovana kiraro tery loatra eo anivon’ny lohan-tongotra ;
-Voadona matetika ny hoho ka lasa miova ny faniriny ;
-Tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka eo amin’ny hoho na ny rantsana.

Ahoana ny fambara ny « ongle incarné » ?

Anisan’ireo fambara ahafantarana fa manao « ongle incarné » ny hoho ny :
-Fahatsapana fanaintainana rehefa mamindra na rehefa manao kiraro mihidy ;
-Mivonto ary mivaramena manodidina ny hoho ;
-Misy nofo mivohatra kely eo akaikin’ny hoho ;
-Misy nana miforona eo anivon’ilay hoho.

Ahoana ny fomba atao ampitoniana izany ?

Mba ampitoniana ny « ongle incarné » sy ny fanaintainana aterak’izany dia tsara raha :
-Lomana anaty rano mafana nasiana savony ilay tongotra. Izany dia mba hampalemy ilay hoditra sy hampihena ilay fanaintainana ;
-Petahana compresse nasiana rano matimaty mba hampihena ny fanaintainana sy hanafaingana ny fahasitranan’ilay ratra ;
-Fihinanana fanafody mampitony fanaintainana azo avy amin’ny mpitsabo.

Ny fomba atao hisorohana ny « ongle incarné »

Mba hisorohana ny « ongle incarné » dia :
-Tapahana mahintsy ary tsy atao fohy kely ny hoho ;
-Manao kiraro mampahazo aina sy tsy tery loatra ny eo amin’ny lohan-tongotra ;
-Raha azo atao dia tsy manao kiraro avo be matetika ;
-Raha miverimberina ny « ongle incarné » dia tsara raha manantona mpitsabo manokana ny tongotra na « podologue » ahazoana torohevitra hisorohana izany.

Rehefa inona no tokony manantona mpitsabo ?

Amin’ny ankapobeny dia mety sitrana ho azy ny « ongle incarné » rehefa narahana ireo torohevitra teo ambony ireo. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka tsy mety sitrana na vao maika mihamarary ilay hoho, lasa misy nana na koa lasa manavy ilay olona. Ny mpitsabo ihany no mamaritra ny fitsaboana atao. Mety mila fandidiana hanesorana ny ampahan’ny hoho moa izany raha toa ka efa lalina be ilay ratra.

Lire la suite

Articles Similaires