• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nature Et Vitalité
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana mofomamy andrahoana amin’ny entona

29/07/2024 16:32 © Moov.Mg

Maro amintsika ny maniry hanamboatra mofomamy ao an-trano nefa tsy manana lafaoro. Fantaro fa azo atao tsara ny manao mofomamy andrahoana amin’ny entona na hoe « cuisson à la vapeur ». Malefaka, mibontsina tsara ary matsiro ity karazana mofomamy ity. Araho ary ny fanaovana azy !

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofomamy tsy mila lafaoro

-Atody 3 ;
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Ronono 3 sotro fihinanana ;
-Lafarina 1 kaopy sy tapany na 70g ;
-Siramamy fahefan’ny kaopy na 50g ;
-Ranona voasary makirana 1 sotrokely.

Ny fomba fikarakarana azy

Kapohana miaraka amin’ny fouet na amin’ny batteuse ny tamenak’atody, ny ronono, ny menaka ary ny lafarina.
Kapohana mitokana ny tapotsin’atody, ny siramamy ary ny ranona voasary makirana. Tohizana kapohana hatrany mandrapibontsina azy. Andramana ahohoka ka rehefa tsy misy miraraka intsony dia vonona izy izay.
Arotsaka tsikelikely anatin’ilay fangaro voalohany misy lafarina ilay fangaro faharoa misy tapotsin’atody io. Aroharoana moramora hatrany isaky ny avy mandrotsaka amin’ilay tapotsiny. Tsy azo aroharoana be loatra satria lasa simba ilay paty.
Rehefa mitambatra avokoa ireo fangaro dia arotsaka anaty lasitra boribory. Saromana « papier aluminium » avy eo andrahoana amin’ny entona. Izany hoe mampangotraka rano anaty vilany avy eo apetraka eo ambonin’ilay rano ilay lasitra dia saromana ilay vilany. Tsy atao mahery loatra ny afo. Masahana mandritra ny 45 minitra dia vonona.

Lire la suite

Articles Similaires