• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vea France
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Torohevitra hikarakarana ny ratra mba tsy hanonotra

29/07/2024 14:11 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny ratra mahazo ny hoditra. Miankina amin’ny fahavoazana sy ny halalan’ny ratra no ahafana mitsabo izany ao an-trano na mila mandeha dokotera na mandeha toeram-pitsaboana. Araho eto ary ny fomba ahafantarana fa afaka tsaboana ao an-trano ny ratra sy ireo torohevitra atao hikarakarana izany mba tsy hanonotra.

Ireo karazana ratra afaka tsaboana ao an-trano

Ny ratra amin’ny hoditra tsy lalina loatra na ny atao hoe « superficielles » no azo tsaboina ao an-trano. Izany hoe ireo ratra mijanona eo anivon’ny « épiderme » sy ny « derme » fa tsy mahazo ny nofo na ny taolana. Inona avy ary ireo karazana ratra atao hoe « superficielles » ireo ?

Ny ratra noho ny rangotra na kiaka

Tsy mandeha rà be ireo karazana ratra ireo satria ny hoditra ivelany no tratr’izany. Amin’ny ankapobeny moa dia mora sitrana sy tsy misy takaitra izy ireny. Mitovy izany ihany koa ny poa-drano na ny « ampoules » rehefa vaky.

Ny hoditra voatataka

Rehefa tsy lalina be sy tsy ngeza be ny ratra eo amin’ny hoditra voatataka na voadidin’ny zavatra maranitra dia azo sokajiana ho ratra « superficielle ». Azo tsaboana ao trano izy ireny na dia somary mandeha rà aza.

Ny may

Mbola tafiditra anatin’ireo ratra amin’ny hoditra azo tsaboana ao an-trano ny may raha toa ka voasokajy anatin’ny atao hoe « brûlures du premier degré ». Izany hoe eo anivon’ny « épiderme » ihany no voa. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha lehibe ilay faritra may.

Ireo fomba atao hikarakarana ny ratra amin’ny hoditra

Rehefa misy maratra amin’ny hoditra dia lasa misy faritra marefo mety hidiran’ny mikraoba na bakteria eo amin’izany. Noho izany dia mila karakaraina sy tsaboana ary arovana tsara ny ratra, na dia kely aza, mba hisorohana ny mety ho fahasarotana atarek’izany. Ireto ary ny dingana tokony atao :

Sasana tsara amin’ny rano sy savony ny tanana

Alohan’ny hikarakarana sy hitsaboana ratra eo amin’ny hoditra dia mila manasa tanana tsara amin’ny rano sy savony aloha. Kosehana tsara mandritra ny 30 segondra eo ny tanana avy eo kobanina amin’ny rano madio ary fafana amin’ny serveta madio na avela ho mainan’ny rivotra. Raha sendra tsy misy rano dia mampiasa gel hydro-alcoolique.

Diovina ny ratra

Isan’ireo dingana lehibe mahasitra haingana ny ratra ny fanadiovana izany. Tondrahana rano matimaty eo amin’ny ratra mba hiala ny rà, ny loto sy ireo zavatra mety manarona izany. Tsy tsara ny mampiasa rano mangatsiaka satria manaela ny fikorian’ny rà sy ny fahasitranan’ilay ratra izany. Ampiasaina kosa nefa ny rano mangatsiaka raha may satria sady mampitony ny fanaintainana izany no manakana ilay ratra tsy hihitatra. Rehefa avy norarahana rano dia diovina amin’ny rano tsotra sy savony ilay faritra maratra. Tokony ho ampy io dingana io raha tsy lalina ilay faritra maratra.

Arovana ilay ratra

Mila rakofana « pansement » ny ratra mba hiarovana azy tsy ho tratry ny loto sy mba hitazomana ny hoditra ho mandomando. « Compresse » vaovao sy « sparadrap » no ampiasaina amin’izany. Mialoha ny handrakofana azy dia asiana « Bétadine jaune » mba hahamora maina ny fery sy tsy ampiraikitra ny « compresse ». Raha toa kosa ka may dia « pansement gras » no ampiasaina. Tsara hatrany ny manontany « pharmacien » mikasika ny fitaovana sy fikarakarana atao hiaroavana ny ratra.

Lire la suite

Articles Similaires