• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana no atao mba tsy hitombo lanja rehefa avy niala sigara ?

26/07/2024 11:49 © Moov.Mg

Maro ireo olona niala sigara no milaza fa nitombo lanja na nihanatavy tao aorian’izany. Isan’ireo antony mampalaina ny mpifoka sigara amin’izany fahazaran-dratsy izany ny tahotra ho lasa ngeza be rehefa afaka sigara. Ireto ary misy torohevitra manampy mba tsy hampitombo ny lanja rehefa afaka sigara.

Tsy maintsy mihangeza ve rehefa avy niala sigara ?

Ny « nicotine » ao anatin’ny sigara dia mampihena ny fahazotoan-komana, mampitombo ny fandaniana aina ataon’ny vatana ary mampihena ny fitahirizan’ny vatana ny tavy. Noho ireo antony ireo no mahatonga ny ankamaroan’ny mpifoka sigara ho lasa mitombo sy mihangeza rehefa mitsahatra tsy mifoka sigara intsony.
Marihana nefa fa tsy ny rehetra no mandalo izany fitomboana lanja izany fa miankina betsaka amin’ny toe-batana sy ny fomba fiaina aorian’ny fialana sigara. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 2 hatramin’ny 4 kilao eo no azo rehefa afaka sigara. Misy ihany koa nefa ireo mety hahazo lanja mihoatra izany. Inona ary ny fomba atao hisorohana izany fitomboana lanja izany ?

Fadiana ny mitsakotsako eo anelanelan’ny fotoana fisakafoanana

Mandritra ny volana iray aorian’ny fialana sigara dia mety hitombo ny fahazotoan-komana ka raha tsy mahatohana izany dia lasa tia mitsakotsako na mihinana « goûter » matetika eny anelanelan’ny fotoana fisakafoanana. Io fihetsika io nefa no isan’ny mampatavy vetivety. Mba hisorohana izany ary dia :
-Misakafo ara-dalàna intelo isanandro, izany hoe ny maraina, ny atoandro ary ny hariva. Ny fanajana ireo fotoana fisakafoanana ireo dia mampihena ny hanohanana eny antenatenam-potoana ;
-Atao mahavoky tsara ny sakafo hoanina mandritra ireo fotoana fisakafoanana ireo ;
-Asiana vary na mofo na paty isaky ny misakafo ho fanampin’ny legioma. Tsy hoe akory mampatavy izy ireo dia tsy hoanina intsony. Izy ireo no mahavoky ny vavony ka manampy hiadiana amin’ny fitiavana mitsakotsako antenatenam-potoana ;
-Ampitomboana ny fihinanana sakafo mitahiry fibra. Sady manome fahavokisana izy ireny no manampy amin’ny fanadiovana ireo loto nentin’ny sigara tao anatin’ny vatana ;
-Fadiana ny misotro zavatra mamy, na mandritra na aorian’ny sakafo. Mitondra « calories » tsy ilain’ny vatana izy ireny sady mampitombo ny tahan’ny siramamy anaty rà ka mahatonga ilay fahatsapana noana lava.

Toherina ireo fahazarana mifandraika amin’ny fifohana sigara

Ny olona miankin-doha amin’ny sigara dia efa manana fahazarana mihintsy amin’ny fotoana hifohany sigara. Rehefa avy misakafo moa matetika dia atao toy ny tsindrin-tsakafo mihintsy izy io. Ho an’ireo izay miala sigara dia tena sarotra tokoa ny manohatra io fahazarana io ka lasa manolo izany amin’ny fihinana zavatra mamy mampitony ny saina, toy ny ny sokôlà, vatomamy, biscuits… Mba tsy hitombo lanja vetivety dia mila ezahana toherina io fahazarana io. Raha tsy zaka izany dia voankazo no hoanina. Mandaitra ihany koa ny fiborosiana nify isaky ny avy misakafo.

Mihinana sakafo voalanjalanja ary manao fanatanjahantena

Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fahazoana lanja rehefa miala sigara ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Ferana arak’izay azo atao ny sakafo be menaka. Mihinana vary, mofo sy paty fa atao amin’ny antonony hatrany. Ny voankazo sy ny legioma no atao betsaka. Tsy adinoana ny misotro rano tsara, sady mahasalama izany no manome fahatsapana voky. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena isan’andro na ny fanetsiketsehana ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires