• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Grazia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tombontsoa azo avy amin’ny fihinanana apongabendanitra

23/07/2024 14:07 © Moov.Mg

Voankazo iray isan’ny manankarena otrikaina ny apongabendanitra. Azo hoanina amin’izao na hanaovana ranom-boankazo moa izy io. Maro ny vokatsoa ara-pahasalamana azo amin’ny fihinanana apongabendanitra matetika. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà

Ny apongabendanitra dia mitahiry singa iray atao hoe « polyphénols ». Ity farany dia miasa betsaka amin’ny fampidinana ny tosi-drà, ny fanatsarana ny fikorian’ny rà sy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà. Ny fisotroana ranom-boankazo avy amin’ny apongabendanitra dia manampy amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà.

Mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana

Isan’ireo voankazo ahitana vitamina C sy « antioxydant » amin’ny tahany ambony ny apongabendanitra. Ny fihinanana azy matetika dia manampy amin’ny fampitomboana sy ny fanamafisana ny hery fiarovana. Tsara ny mihinanana apongabendanitra matetika rehefa vaninandro ririnina toy izao mba hiadiana amin’ny sery sy ny gripa.

Mikolokolo ny taova fandevonan-kanina

Mitahiry « enzymes digestives » natoraly ny apongabendanitra. Ireo singa ireo dia mikolokolo ny fahasalaman’ny taova fandevonan-kanina ary manatsara ny fiasan’izany. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fampitoniana ireo olana ara-pandevonan-kanina, toy ny aretim-bavony, ihany koa ity karazana voankazo ity.

Miaro amin’ny homamiadana sasantsasany

Maro ireo vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany no milaza fa misy amin’ireo singa mandrafitra ny apongabendanitra no miasa amin’ny fiarovana amin’ny homamiadana sasantsasany, toy ny homamiadan’ny nono sy ny « prostate ». Ny singa atao hoe « punicalagines » ao amin’ny dia manakana ny fiparitahan’ny « cellules cancéreuses » ao amin’ny vatana ary mety mamono ireo farany ihany koa.

Manatsara ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha

Mety mitondra vokatsoa eo amin’ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha ny fizarana mihinana apongabendanitra. Araka ny voka-pikarohana iray natao tany ivelany dia voalaza fa ny fisotroana isanandro ny ranom-boankazo vita amin’ny apongabendanitra dia manatsara ny fitadidiana eo amin’ny olona efa nahazo taona izay manana olana amin’ny fitadidiana.

Lire la suite

Articles Similaires