• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lesgwalandais
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nandadizan’ny trambo : inona no atao ?

23/07/2024 11:10 © Moov.Mg

Isan’ireo biby mampatahotra antsika tokoa ny trambo noho izy misy poizina izay mety hitondra olana ara-pahasalamana. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo rehetra tsara fantatra mikasika ny trambo, ny mety atahorana amin’izy ireny sy ny zavatra tokony atao raha nandadizan’ny trambo.

Inona tokoa moa ny trambo ?

Ny trambo, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « scolopendre », dia biby mpihaza izay mivelona amin’ny fihinanana bibikely toy ny hala, lalitra, parasy… Arak’izany dia misy fotoana izy ireny tafiditra ao an-trano rehefa mihaza ireo sakafony ireo.
Biby mandady, somary fisaka ary misy tongotra be dia be izy io. Ny toerana maizina sy mandomando no fiafonany ka raha ao an-trano dia ny trano fidiovana, ny lakozia, ny fandriana sy ny ao an-jaridaina no matetika ahitana azy.

Faritra aiza amin’ny vatan’ny trambo no misy poizina ?

Maro amintsika no mihevitra fa ireo tongotry ny trambo no misy poizina. Izany indrindra no mahatonga antsika matahotra mafy raha toa ka nandadizan’ny trambo. Raha ny marina nefa dia ao ambanin’ny vavan’izy ireny no misy fanjaitra roa lehibe mitahiry ny poizina. Noho izany, rehefa manaikitra ihany ny trambo vao mivoaka ireo poizina.

Inona no mety mitranga raha voakaikitry ny trambo ?

Raha toa ka voakaikitry ny trambo ny olona iray dia ireto avy ny zavatra mety mitranga sy ho tsapany :
-Mahatsiaro mavaivay toy ny mandoro eo amin’ny faritra voakaikitra ;
-Mety hivonto, hivaramena sy hafana eo amin’io faritra io ;
-Manaintaina mafy ihany koa.
Raha toa ka salama tsara ilay olona dia ho lefy vetivety ihany ireo famabara ireo. Mety hisy fahasarotana kosa raha toa ilay olona voakaikitra ka misy tosi-drà, misy areti-mitaiza toy ny diabeta na sohika, mbola ankizy madinika na efa nahazo taona. Marihana fa mety hitarika fahasarotana ihany koa raha eo amin’ny faritry ny loha no voakaikitry ny trambo.

Inona ary no tokony ho atao raha sendra voakaikitry ny trambo ?

Raha voakaikitry ny trambo dia ireto avy ny fihetsika tsara atao :
-Sasana amin’ny rano sy savony eo amin’ilay faritra voakaikitra mba hanesorana ireo ambina poizina sy ireo mikraoba eo amin’ny hoditra ;
-Petapetahana amin’ny lamba nalona tao anaty rano mafana ny faritra voakaikitra hamonoana ny ampahany amin’ny poizina ;
-Petahana glaçon mba hampitoniana ny fanaintainana sy hampihena ny fivontosana ;
-Raha manaintaina be dia afaka mihinana fanafody fanalana fanaintainana ;
-Diovina ary arovana tsara amin’ny loto ilay faritra voakaikitra mba tsy hampitombo ny mikraoba.
Raha toa ka tsy lefy anatin’ny 24 ora ireo fambara dia mila manantona mpitsabo. Raha toa kosa ka misy soritr’aretina miseho toy ny hoe sempotra, fanina, marary ny tratra dia mila manantona toeram-pitsaboana malaky.

Ireo atao hisorohana ny kaikitry ny trambo

Mba hisorohana ny kaikitry ny trambo dia tsara raha :
-Diovina sy atao maina hatrany ny toerana fidiovana sy ny lakozia ;
-Fafana tsara ny ambany fandriana ary akopaka ny lambam-pandriana rehefa alohan’ny hatory ;
-Akopaka ny serveta rehefa alohan’ny hampiasa izany ;
-Esorina ireo lobolobo manodidina ny trano.

Lire la suite

Articles Similaires