• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Beauté Test
Image
Fahasalamana&Sakafo

Akondro : mitondra tombontsoa maro hoan’ny vatana sy ny fahasalamana

22/07/2024 16:28 © Moov.Mg

Voankazo iray misy mandavan-taona ny akondro. Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana sy ny fampiasana. Araho eto ary ireo vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana entin’ny akondro.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana akondro

Ny akondro dia isan’ireo voankazo manankarena vitamina A, B, B6, C sy E. Ankoatra izay dia mitahiry acide folique, fer, zinc, magnésium, potassium ary manganèse izy io. Noho ireo otrikaina sy mineraly maro hita ao aminy dia maro ny vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana azy matetika :
-Manatsara ny fandevonan-kanina ;
-Mampihena ny tahan’ny « cholestérol » ratsy ;
-Mampihena ny krampin’ny hozatra ;
-Mitondra hery ary manamafy ny hery fiarovana ;
-Mampitony ny tebiteby ;
-Manatsara ny torimaso ;
-Manampy amin’ny fanamafisana ny taolana ;
-Manampy amin’ny fitsaboana ny tsy fahampian-drà.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fampiasana ny akondro

Ankoatra ny fihinanana azy dia azo ampiasaina hanamboarana vokatra hikolokoloana ny hoditra sy ny volo ihany koa ny akondro. Ny fisian’ny vitamina C sy B6 ao amin’ny dia miasa amin’ny fanomezana « élasticité » ny hoditra. Ny manganèse sy ny antioxydant tehiriziny kosa dia mahatanora ny hoditra. Maro moa ny vokatra azo karakaraina amin’ny akondro. Ohatra amin’izany ny fanafangaroana ny akondro nopotserina amin’ny voasary makirana. Io no ahosotra amin’ny tarehy mba hanesorana ny tasy amin’ny hodi-tava.
Azo ampiasaina amin’ny fikarakarana ny volo ihany koa ny akondro. Maro ny vokatsoa azo avy aminy, toy ny hoe manalefaka, mampaniry, manamandina… ny volo. Ny vokatra natoraly vita amin’ny akondro fampiasa amin’ny volo dia afaka ampiasaina mialoha na aorian’ny fanasana loha. Anisan’ireo tsara ampiasaina ohatra ny akondro potserina miaraka amin’ny yaourt. Hosorana amin’ny volo ary atao mahazo ny hodi-doha izy io mba hitsaboana ny volo mihintsana. Avela hilona 30 minitra vao kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires