• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © En Route Pour La Vie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo karazana « sirop » natoraly hampitoniana ny kohaka

16/07/2024 11:04 © Moov.Mg

Isan’ny mampijaly tokoa rehefa andro mangatsiaka toy izao ny kohaka. Na ny ankizy na ny lehibe dia samy mety ho tratr’izany avokoa. Raha mbola vao manomboka moa ny kohoka, izany hoe mbola tsy miaraka amin’ny soritr’aretina hafa toy ny fanaviana na ny areti-tenda, dia azo atao ny mampitony izany amin’ny alalan’ny « sirop » natoraly toy ireto atoro manaraka ireto.

« Sirop » natoraly vita amin’ny « thym »

Ny « thym » dia voasokajy anatin’ireo akora natoraly manana fomba fiasa « anti-inflammatoire » sady « antiseptique ». Manampy amin’ny fampitoniana ny kohaka sy ny farariana mahazo ny taovam-pisefoana. Etsy andaniny ny tantely dia manalefaka sy mampitony ny kohaka.

Ireo zavatra ilaina :

-Rano 250 ml ;
-« Thym » tahony 2 na 3 (tsara raha tsy maina) ;
-Tantely 4 sotro fihinana.

Fomba fikarakarana azy

Sasana madio tsara ny « thym » avy eo tenehina mandritra ny 15 minitra. Andrasana mangotraka mihintsy ilay rano vao arotsaka ny « thym ». Rehefa izy mangotraka tsara iny dia arotsaka ny tantely ary aroharoana tsara hifangaro. Tatavanina hiala ny faikan’ny « thym ». Andrasana mangatsiaka ity « sirop » natoraly ity izay vao hafindra anaty tavoahangy efa nodiovina tsara tamin’ny rano mangotraka. Tehirizina amin’ny toerana mangatsitsiaka sy tsy azon’ny masoandro. Azo tehirizina mandritra ny tapa-bolana izy ity raha atao anaty vata fampangatsiahana. Mihinana 1 sotro fihinanana in-telo isan’andro mba ahazoana vokatra.

« Sirop » natoraly vita amin’ny voasary makirana, « vinaigre de cidre » sy sakamalaho

Ny « vinaigre de cidre » dia manampy amin’ny fampihenana ny famokarana « mucus » na rehoka izay mahatonga ny kohaka. Ny voasary makirana moa efa tsy zoviana amintsika intsony ny fiasany amin’ny fampitomboana sy fanamafisana ny hery fiarovana noho izy manankarena ny vitamina C. Ny sakamalaho kosa dia sady « anti-inflammatoire » no sady mampisinda ny orona tsentsina.

Ireo zavatra ilaina

-Ranona voasary makirana 2 sotro fihinanana ;
-Tantely 2 sotro fihinanana ;
-Sakamalaho voakiky antsasaky ny sotro fihinanana ;
-« Vinaigre de cidre » 2 sotro fihinanana ;
-Rano tapaky ny vera.

Ny fomba fikarakarana azy

Afangaro miaraka anaty vilany kely ny ranona voasary makirana, ny tantely, ny sakamalaho voakiky, ny « vinaigre de cidre » ary ny rano. Aroharoana tsara hifangaro. Ataingina ambony afo antonony mba hamay. Tsy atao mangotraka fa rehefa mafana tsara dia esorina. Io fangaro natoraly io no hoanina 2 sotro fihinanana intelo isan’andro. Atao 1 sotro ihany kosa ny fatra ho an’ny ankizy. Tsy azo omena ny zaza latsaky ny 5 taona.

Lire la suite

Articles Similaires