• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Canalblog
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « madeleines » malefaka tsara

12/07/2024 13:26 © Moov.Mg

Isan’ny « goûter » ankafizin’ny ankizy sy mahavoky tokoa ny « madeleines ». Efa maro ny mpivarotra ahitana azy ireny. Satria moa ireo amidy eny an-tsena mbola hakana tombony dia matetika tsy mivoaka tsara ny tsirony. Araho eto ary ny fanaovana « madeleines » malefaka sy matsiro ao an-trano.

Ireo akora ilaina amin’ny fanaovana « madeleines »

-Lafarina 22 g ;
-Siramamy 175 g ;
-Dibera 100 g ;
-Atody 4 ;
-Voasary makirana 1 ;
-Sira ;
-Levure chimique 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy. Afaka mampiasa « fouet » na mampiasa « batteuse ». Rehefa miakatra ambony ny fangaro dia vita fa tsy atao lasa fotsy be akory.
Arotsaka ao ny lafarina efa avy notatavanina, ny sira 1 tsongo, ny levure chimique, ny dibera avy natsonika ary ny hodina voasary makirana voakiky.
Tohizana kapohana amin’ny « fouet » ireo fangaro rehetra ireo mba hitambatra tsara daholo. Tandremana mba tsy hisy tambaingambaingana miforona. Raha sendra misy dia esorina amin’ny sotrokely fa tsy avela ao.
Osorana dibera ny lasitra fanaovana « madeleines » avy eo rarahana lafarina kely. Somary ahintsana ireo lafarina mihoatra satria tokony manify ihany izany. Avy eo asiana ilay paty nokarakaraina teo tsirairay ireo lasitra. Tsy atao feno be fa tokony ny ¾ ihany no feno satria mbola hibontsina ity mofomamy ity rehefa masaka.
Avela hipetraka kely anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 20 minitra ireo paty anaty lasitra. Etsy andaniny hafanaina amin’ny hafanana 210 °C ny lafaoro. Aorian’izay dia andrahoina anaty lafaoro ny « madeleines ».
Rehefa mibontsina ny paty dia ampidinina 180°C ny hafanan’ny lafaoro mandrapahamasaky ny mofomamy. Tokony maharitra eo amin’ny 8 hatramin’ny 10 minitra eo ny fotoana fahamasahany.

Lire la suite

Articles Similaires