• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mi-Sakafo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana mofo voanio na mofo « coco »

11/07/2024 14:22 © Moov.Mg

Mofo iray tena ankafizintsika rehefa mandeha miala sasatra any amin’ny morontsiraka atsinanana any ny mofo voanio na ny mofo « coco ». Matsiro aok’izany izy ireny indrindra rehefa ilay vao mafana iny. Azo atao tsara ny manamboatra azy ao an-trano, araho ange e !

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo voanio

-Lafarina 250g ;
-Voanio lehibe 1 ;
-Siramamy 3 sotrokely ;
-Rano kely ;
-Menaka hanendasana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Esorina ny ranon’ny voanio avy eo vakiana. Manarak’izay dia kikisana atao madinika tsara ary atao anaty « saladier » na koveta kely. Arotsaka ao ny lafarina sy ny siramamy. Avy eo asiana rano kely ary afangaro tsara daholo mba ahazoana paty matevina sy tsy miraikitra amin’ny tanana.
Raha tena lehibe ilay voanio dia azo ampiana kely ny fatran’ny lafarina sy ny siramamy. Mila atao mifandanja tsara ny fatran’izy ireo mba tsy diso ho heno be loatra ny tsiron’ilay voanio. Tsy tsara atao mamy loatra ihany koa fa manimba ny tsirony izany.
Rehefa mahazo paty madity sy tsy miraikidraikitra intsony dia afaka bolabolaina amin’ny tanana (toy ny manao henabaolina) ahazoana izay endrika tiana. Azo atao boribory na lavalava moa ny endriky ny mofo voanio amboarina. Mba tsy hampiraikidraitra be loatra azy dia asiana menaka kely ny tanana alohan’ny hibolabolaina ilay paty.
Hiditra amin’ny fanendasana amin’izay. Hafanaina anaty lapoaly jobo na anaty vilany saba ny menaka. Atao misimisy ny menaka ampiasaina, toy rehefa hanendy mofo akondro na mofo baolina. Rehefa mafana tsara ny menaka dia arotsaka ny mofo voanio. Avadibadika ka rehefa mahazo loko tsara dia esorina ambony afo. Aroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires