• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Dauphiné Libéré
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba tsotra fandrahoana « lasagnes »

10/07/2024 15:41 © Moov.Mg

Isan’ny nahandro matsiro sy aroso mafana tsara hoanina rehefa ririnina toy izao ny « lasagne ». Samy mankafy azy ity avokoa moa na ny ankizy na ny lehibe. Afaka atao sakafo atoandro na hariva fa afaka atao « goûter » ihany koa. Araho ary ny fomba fikarakana azy.

Ny fomba tsotra fandrahoana « lasagnes »

Isan’ny nahandro matsiro sy aroso mafana tsara hoanina rehefa ririnina toy izao ny « lasagne ». Samy mankafy azy ity avokoa moa na ny ankizy na ny lehibe. Afaka atao sakafo atoandro na hariva fa afaka atao « goûter » ihany koa. Araho ary ny fomba fikarakana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « lasagnes »

-« Lasagnes » manta ;
-Voataby amin’ny boaty 2 ;
-Toton-kena 225g ;
-Tongolo voatetika madinika ;
-Fromazy voakiky 350g ;
-Dibera 125g ;
-Lafarina 2 sotro fihinanana
-Ronono 0,5l ;
-Menaka ;
-Sira

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Endasina ny tongolo voatetika. Rehefa mahazo loko ny tongolo dia arotsaka ao ny toton-kena. Avela hiketrika kely amin’ny afo malefaka.
Andrahoina amin’ny rano kely anaty vilany ny voatabia amin’ny boaty. Asiana sira izay itiavana azy. Rehefa mangotraka dia arotsaka ao anatin’ny vilany na lapoaly misy ny toton-kena ary afangaro tsara.
Miditra amin’ny fikarakarana ny « sauce béchamel ». Atsonika anaty vilany ambony afo somary mahery ny dibera. Rehefa mitsonika dia arotsaka ao ny lafarina ary aroharoana amin’ny « fouet ». Ampidinina atao antonony ny afo. Rehefa mitambatra tsara ny lafarina sy ny dibera dia arotsaka tsikelikely ny ronono sady tohizana aroharoana hatrany. Rehefa mihamatevina dia vita ny « béchamel ».
Andrarahana an’ity saosy ity ao anatin’ny « moule à gratin ». Avy eo andrahana ilay toton-kena nokarakaraina teo ambony. Saromana « lasagnes » ary asiana « béchamel » sy toton-kena eo amboniny. Alahatra eo amboniny indray ny « lasagnes » manaraka ary rakofana « béchamel » sy toton-kena. Raha mbola misy ireo fangaro dia tohizana toy izay hatrany. Amin’ny farany rarahana ny fromazy voakiky eo amin’ny tampony ambony.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 45 minitra. Tsindromina kely amin’ny lohan’antsy ny « lasagnes » ka rehefa malemy dia vit aizy izay.

Lire la suite

Articles Similaires