• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio-Canada
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « chips banane » mikarepoka sy matsiro

09/07/2024 14:09 © Moov.Mg

Isan’ny tsakitsaky ankafizin’ny be sy ny maro ny « chips banane ». Maro amintsika no maniry hanamboatra azy ireny ao an-trano. Araho eto ary ireo zavatra ilaina sy ny fomba fikarakarana azy mba hikarepoka sy matsiro.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « chips banane » ao an-trano

-Akondro lahy na « bananes plantain » ;
-Menaka hanendasana azy ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Voasana ny akondro lahy, izany hoe ilay karazana akondro fanendy na ilay mila andrahoina ireny. Azo asolo akondro manta (mbola maitso) ihany koa fa tsara kokoa raha akondro lahy no ampiasaina.
Tetehana fisaka manaraka ny halavany ny akondro lahy voavaofy. Raha lava loatra dia afaka zaraina roa aloha izay vao tetehana fisaka amin’ny halavany. Azo tetehana manify boribory ihany koa nefa, arak’izay hitiavana azy.
Hafanaina anaty lapoaly jobo na anaty vilany saba ny menaka. Rehefa mafana tsara dia arotsaka ny akondro voatetika fisaka. Endasina eo mandrapahazoana loko somary « dorée ».
Rehefa masaka dia loharana amin’ny sotrobe misy laodaoka ary tsihifina tsara ny menaka. Atao eo ambony lovia nasiana « papier absorbant » mba hiala tsara daholo ny menaka.
Rarahana sira ary aroso matimaty na mangatsiaka miaraka amin’ny « sauce » izay tiana.

Lire la suite

Articles Similaires