• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « hydrocéphalie »

09/07/2024 11:30 © Moov.Mg

Aretina iray mety mahazo ny olona rehetra ny « hydrocéphalie » fa ny zaza sy ankizy no matetika voan’izy ity. Tsy afaka sitranina tanteraka moa ity aretina ity fa misy kosa ny fitsaboana sy ny fandraisan-tanana azo atao na dia mbola lafo tokoa aza izany. Fa inona tokoa moa ary ny aretina « hydrocéphalie » ? Inona no mahatonga azy ? Ahoana ny fitsaboana azy ?

Inona no atao hoe aretina « hydrocéphalie » ?

Ny « hydrocéphalie » dia aretina vokatry ny fiandronana rano betsaka anatin’ny loha. Misy rano atao hoe « liquide céphalorachidien » ao anatin’ny loha ao. Miaro ny atidoha tsy ho voadodoana sy mamono ireo loto mety hanimba azy moa io rano io. Rehefa lasa be loatra nefa ity farany dia lasa mety manapotsitra ny atidoha sy mety hanimba ny « tissu cérébral » ka hiteraka fahasarotana maro eo amin’ny fahasalamana, na ara-tsaina na ara-batana. Raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna ny « hydrocéphalie » dia mety hitarika amin’ny fahafatesana.

Ireo antony mety mahatonga ny « hydrocéphalie »

Araka ny voalaza teo ambony dia mety ho tratry ny « hydrocéphalie » avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Isan’ireo antony lehibe mety mahatonga azy io ny :
-Tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka teo amin’ny fivoaran’ny atidoha na ny fikorian’ny « liquide céphalorachidien » ;
-Aretin’ny atidoha na ny « moelle épinière » ;
-« Traumatismes craniens » ;
-« Hémorragies cérébrales » ;
-« Tumeurs cérébrales ».

Ireo soritra’aretina ahafantarana ny « hydrocéphalie »

Miankina betsaka amin’ny taonan’ilay marary sy ny fahasarotan’ny aretina ireo soritr’aretin’ny « hydrocéphalie ».

Ireo fambara fahita eo amin’ny zazakely

-Mitombo lasa ngeza be ny loha ;
-Mibontsina ny loha malemy ;
-Mipoitra be ny lalan-drà amin’ny hodi-doha ;
-Lasa malain-komana ;
-Kizitina ;
-Matory lava (léthargie) ;
-Mandoa ;
-Mifanintona.

Ny fisehon’ny « hydrocéphalie » eo amin’ny ankizy sy ny lehibe

-Marary an-doha ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Mihena ny fahitana ;
-« Troubles de l’équilibre et de la coordination » ;
-Tsy mahatana pipy na kakà ;
-Miova toetra.

Fitsaboana sy fandraisan-tanana ny « hydrocéphalie »

Miompana betsaka amin’ny fampihenana ny fiandronanan’ny rano anaty atidoha sy amin’ny fiarovana ity farany ny fitsaboana ny « hydrocéphalie ». Isan’ireo karazana fitsaboana atao amin’izany ny :
Fanaovana « dérivation ventriculo-péritonéale » izay fandidiana miompana amin’ny fampidirana « shunt » hamoahana ireo rano mihoatra ao amin’ny atidoha mankany amin’ny « abdomen ».
Fanaovana « endoscopie ventriculaire troisième ventriculostomie » izay fandidiana iray hamoronana fivoahana ao amin’ny « plancher du troisième ventricule » mba ahafahan’ilay rano mivoaka malalaka any amin’ny « méninges ».
Misy ihany koa ny fampiasana fanafody manampy amin’ny fampihenana ny famokarana « liquide céphalorachidien ». Ny mpitsabo irery ihany moa no mamaritra ny fitsaboana tsara ampiharina amin’ny marary, miankina amin’ny taonan’ity farany sy ny fahasarotan’ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires