• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sakafo Vita Malagasy
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana godrogodro matsiro

08/07/2024 15:55 © Moov.Mg

Mbola karazana « goûter » azo karakaraina ho an’ny ankizy amin’izao fialantsasatra izao hatrany no zaraina amintsika anio dia ny godrogodro izany. Ankafizin’ny ankizy ary tena mahavoky tokoa izy ity. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao godrogodro

-Koba vary 500g ;
-Siramamy 350g ;
-« Lait de coco » 1 boaty ;
-Rano 1 litatra ;
-Menaka 3 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Afangaro miaraka anaty « saladier » ny koba vary, ny « lait de coco » sy ny 2/3 ny siramamy. Arotsaka tsikelikely manarak’izay ny rano ary aroharoana amin’ny sotrobe hazo. Tokony mahazo paty malefaka, tsy matsora be nefa tsy marihitra be loatra ihany koa.
Ataingina ambony afo ny vilany ary araraka ao ny ambina siramamy. Avela hitsonika ho lasa « caramel ». Rehefa vita izay dia asiana menaka 1 sotro fihinana.
Arotsaka ao avy eo ilay paty nokarakaraina teo ambony. Aroharoana tsy ankiato mandrapa-masaka azy. Tapohana rano tsikelikely raha hita fa mbola tsy masaka ilay koba.
Rehefa ritra sy masaka tsara dia alamina tsara amin’ny sotro mba ahazo endrika. Aorian’izay dia lalorina menaka manify eo amboniny.
Saromana ny vilany ka atao mivadika ny takotra. Ataingina ambony afo ary asiana vain’afo eo ambonin’ny takotra. Masahana amin’ny afo mirehitra ambony sy ambany ny koba.
Rehefa masaka dia esorina anaty vilany ary afindra amin’ny lovia fisaka lehibe.
*Fanamarihana *: afaka andrahoina anaty lafaoro ihany koa ity nahandro ity. Araraka anaty « moule » rehefa ritra sy masaka ilay koba. Alamina tsara ny endriny ary lalorina menaka manify eo amboniny. Avy eo andrahoina anaty lafaoro amin’izay.

Lire la suite

Articles Similaires