• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magasin Café
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo manampy amin’ny fampihenana ny « cholestérol »

08/07/2024 11:05 © Moov.Mg

Misy karazany roa ny « cholestérol » ao amin’ny vatana, dia ny « bon cholestérol » sy ny « mauvais cholestérol » izany. Rehefa miakatra ambony be ny tahan’ny « mauvais cholestérol » dia mety misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana. Mba hampihenana io « cholestérol » ratsy io dia misy ireo karazana sakafo tsara hoanina ho fanampiana ny fitsaboana izay atao amin’izany.

Ny tongolo gasy

Ny tongolo gasy dia mitahiry « composés souffrés » izay mampihena ny tahan’ny « cholestérol » ao anaty rà. Araky ny fikarohana nataon’ny mpikaroka amerikanina dia voalaza fa ny fihinanana vovoka tongolo gasy maina dia mampihena hatramin’ny 7% ny fatran’ny « cholestérol » eo amin’ny olona tratry ny « hypercholestérolémie » na hoe avo be ny tahan’ny « mauvais cholestérol » ao aminy.

Ny « artichaut »

Ny « artichaut » dia zavamaniry miasa amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina. Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fiadiana amin’ny « mauvais cholestérol » ihany koa izy io. Ny fihinanana « extrait de feuilles d’artichaut » dia mampihena ny tahan’ny « mauvais cholestérol » ary mampiakatra ny « bon cholestérol ». Afaka atao dite sotroina mandritra ny roa herinandro ihany koa ny ravina « artichaut » mba hampihena ny tavy sy ny « cholestérol » ratsy.

Ny tamotamo

Akora natoraly mitondra vokatsoa maro eo amin’ny fahasalamana ny tamotamo. Sady « antioxydant », « antiseptique » no « anti-inflammatoire » izy io ka miasa betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana sy amin’ny fampitoniana ny fanaintainana. Ny fampidirana azy anatin’ny sakafo andavanandro ihany koa dia manampy betsaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny « mauvais cholestérol » anaty rà.

Lire la suite

Articles Similaires