• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blog Objets D'Art
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voamadilo : Voankazo mahatsara ny fo sy ny voa, miaro amin'ny aretina maro !

08/07/2024 08:19 © Moov

Efa marobe ireo mpivarotra voamadilo na kily amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Mora izy rehefa ririnina fa fotoana fahavokarany, na dia misy foana aza eny an-tsena mandritry ny taona. Tsy natao ho fanalana manaizana ihany nefa ny voamadilo, satria dia misy fiantraikany tsara amin'ny fahasalamana tokoa ny fihinanana azy io.

Manankarena ireto singa ireto ny voamadilo : protéines, glucides, potassium, magnésium, soufre, phosphore, calcium ,fer, vitamines (A, C ary B3). Tsara mihinana azy avokoa ny sokajin-taona rehetra. Tsy voankazo marikivy natokana ho an'ny vehivavy izy io, na dia mampiomehy aza matetika ny mahita lehilahy mihinana azy.

Miaro ny aty

Anisan'ny taova tena sarobidy ny aty satria izy no miantoka ny fanadiovana ny rà ao amin'ny vatana. Izany indrindra no hisotroana rano tsy latsaky ny 1,5 litatra isan'andro mba hanamora ny fiasany. Ny fihinanana voamadilo dia misoroka ny aterina atao hoe "maladie du foie gras" na "hépatostéatose", izay midika ny fiangonan'ny tavy anaty aty. Ireo olona tsy misotro toaka matetika no tena tratran'io aretina io. Simba izany ny aty noho ny cholestérol be loatra na ny lanja tafahoatra (obesité). Raha tsy mahatandrina kalitaon'ny menaka hanina na somary ngeza, tsara ihany ny mihinana voamadilo matetitetika.

Manatsara ny fo

Sarobidy ihany koa ny fo satria avy amin'ny no ipoiran'ny aina. Ny voamadilo dia mandrindra ny fitempon'ny fo, sady mampihena ny "stress" rehefa sendra ady sarotra iny. Mampihena ny tahan'ny cholestérol manimba ny fo ihany koa izy, araka ny efa voalaza etsy ambony. Anisan'ny fanafody mahomby izany ny voamadilo ho an'ireo manana olana amin'ny fo, na zaza na ankizy na olon-dehibe.

Mampitombo ny hery fiarovana

Tsara ny manamarika fa mamokatra "antioxydant" ao anaty ihany koa ny voamadilo, izay miaro ny olombelona amin'ny homamiadana. Mampitombo ny hery fiarovana ihany koa io voankazo io. Ho an'ny olona voan'ny diabeta, manamora ny fandrindrana ny tahan'ny glycémie ao amin'ny vatana ny voamadilo.
Ireto misy teboka vitsivitsy tsara ho fantatra :
-Mampivalana na "laxatif" ny voamadilo rehefa avadika ranony madity sady atao betsaka ny fatrany hanina;
-Manankarena fibres ihany hoa ny voamadilo ka manatsara ny fiasan'ny tsinay;
-Mampihena ny fanaintainana ny fihinanana io voankazo io ho an'ny vehivavy tonga fotoana ka manao "règles douloureuses";
-Manafaingana ny fahasitranana rehefa voan'ny sery sy gripa.

Fihinana azy

Matetika dia alona amin'ny vinaigitra sy tongolo no tena itiavan'ny maro ny voamadilo. Mila mitandrina nefa satria mety hanala ny kalsioma amin'ny vatana izany sady hampalemy taolana. Tsy adino ny aretim-bavony sy ny areti-nify. Tsara raha hanina amin'izao na asiana sira/ siramamy kely ny voamadilo, ary atao 50 grama isan'andro ihany raha be indrindra. Azo atao ihany koa ny mamadika ny voamadilo ho ranomboankazo na confiture. Azo atao tsara ihany koa ny manamboatra "bonbon tamarin". Tsy vitsy ihany koa ny mankafy ny "sauce tamarin", afangaro amin'ny sakafo isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires