• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Grogne D'Afrique
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tongologasy : Inona avy ireo vokatsoa entiny ho an'ny fahasalamana ?

24/06/2024 10:25 © Moov

Manimanitra ery ny sakafo, indrindra fa ny laoka, rehefa asiana tongologasy. Tsy fanaovana saosy na fanomezana hanitra sakafo ihany izy io. Anisan'ireo vokatra mitondra vokatsoa maro ho an'ny fahasalamana (plante médicinale) mantsy io karazana tongolo io.

Fahasalamana azo antoka

Manankarena "acides phénoliques" ny tongologasy ka izany indrindra no mahatonga azy handamina tsara ny fiasan'ny taova fisefoana sy fandevonan-kanina. Raha manana olana amin'ny fandevonan-kanina, toy ny aretim-bavony matetika, dia tsara raha mihinana tongologasy isan'andro. Misoroka ny "infections" isan-karazany amin'ny tenda, orona sy ny taovam-pisefoana ihany koa ny fihinanana io vokatra io. Mampihena ny tahan'ny "cholestérol" ao amin'ny vatana ihany koa sady mandrindra ny "tension" ny tongologasy. Ireo olona manana "tension" ambony no tena tsara mihinana azy : maka hasiny iray ka tsakoina sy arahina rano, indray mandeha isan'andro.
Maro tokoa ireo olona tsy mahazaka fanafody kakana, na kely na lehibe. Koa satria manadio ny any anaty rehetra any ny tongologasy, indrindra ny any anaty tsinay, azo atao tsara ny mampiasa azy rehefa misy kakana. Raha misafidy ny tsy hihinana fanafody kakana intsony ny olona iray, ka misafidy ny fomba natoraly, tokony hihinana tongologasy (manta) hasiny iray, indray mandeha isam-bolana.

Misoroka ny aretina saro-tsaboina

Miaro amin'ny homamiadana isan-karazany ny tongologasy, indrindra ny mikasika ny vavony sy ny tsinay. Tsara ho fantatra ihany koa fa miaro ny olona amin'ny aretim-po io vokatra io. Tsy tokony atao tapaka tongologasy ao an-trano izany, mba hampirindra tsara ny fiasan'ireo taova ao anaty. Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny atidoha.
Ahitana singa misoroka ny fahanterana lasa aloha loatra (viellissement précoce) ihany koa ny tongologasy. Ireo mitady vahaolana maharitra mba hahatanora lalandava izany dia tokony mazoto mihinana io vokatra io. Tsy dia lafo rahateo mantsy satria eo ho eo amin'ny 500 ariary ny vidin'ny singany iray eny an-tsena.

Mitsabo ny hoditra sy ny hoho

Azo itsaboana tsara ny aretin-koditra ny tongologasy. Sady manala tasy ihany koa io vokatra io ka azo ampiasaina rehefa misy hodi-potsy na fiovan'ny lokon-koditra noho ny aretina samihafa. Manampy ireo olona misy mony ihany koa ny tongologasy. Tsy hanina ny vokatra fa totoina ary apetraka eo amin'ny hoditra mandritra ny minitra maromaro. Misy tokoa ireo manampahaizana manamboatra "crème" na savony ho an'ny hoditra na ihany koa menaka na shampoing ho an'ny volo amin'ny alalan'ny tongologasy. Ho an'ny volo indray, manala angadrano sady mampangirana volo io karazana tongolo io.
Tena mahomby ihany koa ny tongologasy amin'ny fanatsarana ny hoho. Raha manana hoho mila misilaka na mora tapaka dia hosorana tongologasy alohan'ny hatory. Miverina fotsy sy mafy tsara ny hoho rehefa kobanina ny maraina. Somary mahery nefa ny fofony ka tsara raha matory irery rehefa mampiasa azy.

Lire la suite

Articles Similaires