• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chef Simon
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahavokaran'ny Fraise : 'Ndao sorohana ny Cysticercose !

19/06/2024 08:12 © Moov

Anisan'ny torohevitry ny mpitsabo averina ombieny ombieny ny fihinanana legioma sy voankazo. Ireo karazany hita eny an-tsena arakaraka ny vanim-potoana dia tsara hanina avokoa. Amin'izao andro mangatsiaka izao, vokatra ny Fraise. Ilaina nefa ny mandray fepetra mba tsy hitondra voavary izany voankazo izany.

Ny Cysticercose na voavary dia kankana madinika azo avy amin'ny
henakisoa na legioma sy voankazo novolena tamin'ny zezi-kisoa. Manaraka ny rà izy io ka tonga any amin'ny atidoha, ny maso, ny fo sy ireo toerana malemilemy ao amin'ny vatan'olombelona.

Ahoana no isorohana ny Cysticercose rehefa mihinana Fraise ?

Anisan'ny tena mahavokatra ny Fraise ny zezi-kisoa. Maro ireo milaza fa ireo Fraise tena lehibe sady manintona ny maso matetika dia nambolena tamin'izany zezika izany. Sarotra nefa ny hanontany ny mpivarotra mikasika ny zezika namboleny ny Fraise, sady tsy voatery ny mpamboly no mitsinjara ireny voankazo ireny eny an-tsena. Tsara ihany ny mandray fepetra ka ireo Fraise salantsalany na somary madinidinika no vidiana.
Mialoha ny hihinanana ny Fraise dia :
-Sasana tsara ny voankazo, na dia hita fa madio tsy misy pentina aza. Tsara raha rano voadio no ampiasaina. Azo atao ihany koa ny manisy "eau de javel" amin'ny rano anadiovana ny Fraise ;
-Tsara kokoa raha somary andrahoina ny Fraise, angalana ranom-boankazo na atao "confiture".
Fadiana araka izany ny mividy "jus" na "salade de fruits" misy Fraise eny amoron-dalana na amin'ny toerana izay tsy azo antoka ny fahadiovana. Na dia manasa anao hanandrana ny hamamin'ny Fraise aza ny mpivarotra, aza mihinana mihitsy satria mbola tsy voasasa tsara ny voankazo amidy eny an-tsena. Rehefa voahaja tsara ny fahadiovana dia tsy tokony hisy olana ny fihinanana Fraise, satria mahasoa ny fahasalamana izy io : manatsara ny fandevvonan-kanina, mitondra vitamine C sy B9, manatsara ny fitadidiana, sns.

Inona avy ireo fitsaboana natoraly azo itsaboana ny Cysticercose ?

Na mitandro ny fahadiovana hatrany aza dia mety hitranga hatrany ny aretina. Raha misy mampiahiahy, tahaka ny aretin'andoha matetika, dia tsara ny manantona mpitsabo. Ny manam-pahaizana irery ihany no afaka manome fanafody sady mampanao fitiliana raha ilaina izany.
Misy kosa ireo fitsaboana natoraly mety efa nandaitra tamin'ireo izay efa voan'ny Cysticercose :
-Ravitoto eran 'ny sotro lehibe. Atao mangotra-tokana ka in-3
isan'andro mandritry ny telo andro ny ranony, tsy asiana sira.
-Vovoka andramena ( bois de rose ), 1 sotro fihinanana, ampangotrahina ao anaty rano 1 litatra sy tapany, atao rano fisotro mandritry ny dimy andro
-Vovoka voana papay miisa 20 (endasina dia totoina avy eo), arotsaka ao anaty rano 1 vera. Sotroina indray mandeha isan'andro mandritra ny 2 andro; Averina izany afaka 3 andro dia avy eo afaka iray volana.
Raha ny tena tsara nefa dia ny "traitement" atolotry ny mpitsabo no arahina satria mety hahalasa adala ny Cysticercose raha tsy voatsabo tsara. Mankany amin'ny atidoha mantsy ireo kakana madinika ka mety hanimba tanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires