• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Santionany amin’ireo voankazo tsara hoanina rehefa ririnina

18/06/2024 11:05 © Moov.Mg

Efa tafiditra tanteraka anatin’ny vaninandro mangatsiaka isika izao. Maro ireo otrikaina ilain’ny vatana ampitomboana ny hery fiarovana sy hikolokoloana ny fahasalamana. Mazava ho azy fa ny voankazo no isan’ireo sakafo mitondra otrikaina betsaka indrindra. Inona avy ary ireo tsara hoanina rehefa ririnina toy izao ?

Ny voasary sy voasary makirana

Isan’ireo voankazo vokatra betsaka eto amintsika mandritra ny vaninandro ririnina ny voasary sy ny voasary makirana. Ahitana vitamina C amin’ny tahany ambony ao amin’ireo voankazo ireo. Ny vitamina C dia mitana andraikitra lehibe ao amin’ny vatana, indrindra amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana hiadiana amin’ireo karazana otrikaretina mamely rehefa ririnina. Etsy andaniny dia mitahiry singa maro hafa ilain’ny vatana toy ny « magnésium », « calcium », « potassium » ary « antioxydants » ihany koa izy ireny.

Ny akondro

Voankazo vokatra mandava-taona ny akondro ary tsara hoanina amin’ny vaninandro rehetra, indrindra rehefa ririnina. Mitahiry vitamina C izay miantoka ny fanamafiasana ny hery fiarovan’ny vatana izy io. Ny akondro ihany koa dia manankarena « potassium ». Ity farany dia manampy amin’ny fandrindrana ny tosiky ny rà ka miaro amin’ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandrà. Rehefa ririnina toy izao moa dia manjombonjombona matetika ny andro ka lasa kivikivy sy malahelohelo lava izany izy. Ny akondro dia mitahiry « sérotonine » sy vitamina B6 izay mahatonga antsika ho miramirana hatrany.

Ny mananasy

Tafiditra ho isan’ireo voankazo tsara hoanina rehefa ririnina ihany koa ny mananasy. Manankarena vitamina C ihany koa izy ireny ka manampy ny vatana hiatrika ny ririnina sy ireo karazana otrikaretina entin’ny hatsiaka. Afaka ampiasaina hampitoniana ny kohoka moa izy io rehefa ampiarahana amin’ny tantely. Mety hoanina amin’izao, andrahoina na koa atao « salade de fruits » hisitrahana ireo vokatsoa entiny hoan’ny vatana. Ny hodiny moa afaka hikarakarana zava-pisotro manafana rehefa mangatsiaka be iny ny andro. Sasana tsara ny hoditra mananasy ary ampangotrahana amin’ny rano 1 litatra sy tapany mandritra ny 5 minitra. Sotroina mafana ary mamiana amin’ny tantely.

Lire la suite

Articles Similaires