• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « petits patés »

17/06/2024 14:12 © Moov.Mg

Isan’ny tsakitsaky be mpankafy tokoa ny « petits patés ». Efa maro rahateo moa ny mpivarotra azy ireny. Azo atao « goûter » izy ireny fa afaka anaovana fanokafam-bavony mafana ihany koa rehefa rakofana « sauce béchamel ». Ho an’ireo maniry hanamboatra « petits patés » ary dia atoro eto ny fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « petits patés »

Ireo ilaina amin’ny fanaovana « pâte brisée »
-Lafarina 900 g ;
-Dibera mivaingana 250 g ;
-Menaka 4 sotro fihinanana ;
-Rano mangatsiaka be 150 ml ;
-Sira.
Ireo ilaina amin’ny « farce »
-Toton-kena 500g ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Tongolo voatetika tapaky ny kaopy ;
-Atody 1 ;
-« Chapelure » 2 sotrokely ;
-Rano 2 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Ny fanaovana ny « pâte brisée »

Atao anaty « saladier » ny lafarina sy ny sira. Aroharoana tsara amin’ny « fouet » mba hifangaro tsara. Arotsaka ao ny dibera notetehana efajoro maro sy ny menaka. Potserina miaraka amin’ny tanana mba hifangaro tsy ahazoana fangaro mamasipasika.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao ny rano. Afangaro sy polesina amin’ny tanana mba ahazoana paty mitambatra tsara sy malefaka. Ampiana rano kely raha mbola misy lafarina miparitaka tsy mitambatra aminy. Avy eo volavolaina mba ho lasa boribory. Fonosina anaty « film alimentaire » ary avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 1 fara fahakeliny.

Ny fanaovana ny « farce »

Endasina anaty lapoaly ny toton-kena, asiana sira sy dipoavatra. Rehefa manomboka mihamasaka dia arotsaka ny tongolo notetehana madinika. Avela hiketrika eo ambony afo malefaka mandritra ny 5 minitra. Arotsaka ny « chapelure », aroharoana kely avy eo bataina. Avela hangatsitsiaka.

Ny fanaovana ny « petits patés »

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Avoaka ny paty ary zaraina roa ilay boribory iny. Fisahana eo ambony latabatra ny silaky ny paty voalohany. Avy eo faritana boribory amin’ny alalan’ny « bol » ahazoana paty miendrika boribory fisaka maromaro. Atao toy izay ihany koa ny ambin’ny paty teo.
Velarina eo ambony latabatra avokoa ireo paty boribory fisaka rehetra. Tokony eo amin’ny 16 eo ny isany. Kapohana anaty lovia jobo ny atody ary alefa ao ny rano 2 sotro fihinanana. Hosorana io fangaro io amin’ny alalan’ny « pinceau » ireo paty tsirairay.
Asiana « farce » 2 sotro fihinanana avy eo ambonin’ireto farany. Avy eo akatona ny sisin’ny paty. Somary tsongoana moramora amin’ny lohatanana mba hihidy tsara. Osorana ilay atody ny ivelan’ny paty efa mikatona.
Alahatra eo ambony « plaque de cuisson » ireo « petits patés » ary andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires