• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hiadiana amin’ny « points noirs » amin’ny tarehy

13/06/2024 13:40 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra manelingelina sy manaratsy endrika ny hodi-tava ny « points noirs ». Ireto farany moa dia miendrika mony kely misy zavatra maintimainty fahita eo amin’ny tarehy, ny orona, ny hatoka sy ny lamosina. Fa inona no mahatonga ny « pints noirs » ary ahoana ny atao hanesorana azy ireny ?

Fa inona tokoa moa ny « points noirs » ?

Ny « points noirs » dia fiandronana tavy (graisse) manentsina ny mason-koditra ka mivadika mivaramainty rehefa tratry ny rivotra. Raha hazavaina lalina kokoa dia ny fitambaran’ny « sébum » sy ny sela maty eo amin’ny hoditra no mamorona ireo tavy manentsina ny mason-koditra ireo ka mahatonga ny « points noirs ».
Raha tsy voakarakara ireto farany dia mety hihitatra ka mivadika ho mony kely fotsifotsy sy manaintaina. Amin’ny ankapobeny dia ny adolantsento no tena ahitana « points noirs ». Mety miseho amin’ny olon-dehibe ihany koa nefa izy ireny.

Ireo antony mety mahatonga ny « points noirs »

Maro ireo antony mety mahatonga ny « points noirs » ka anisan’izany ny :

Fialana sakana

Mandritra ny fialana sakana dia maro ireo fiovan’ny hormonina mitranga eo amin’ny vatan’ny adolantsento. Mitombo mandritra izany ny famokarana ny horomonina « androgènes » izay mandrisika ny fampitomboana ny famokaran’ny hoditra « sébum ». Ity farany moa no lasa manentsina ny mason-koditra ka mamorona ny « points noirs » rehefa mifangaro amin’ny sela maty eo amin’ny hoditra. Eo amin’ny vehivavy dia mandritra ny fitondrana vohoka sy ny « ménaupose » no mitranga io fikorontanan’ny hormonina mampirongatra ny « points noirs » io.

Fampiasana « produits cosmétiques » manentsina ny mason-koditra

Misy amin’ireo « produits cosmétiques », na vokatra fikarakarana ny hoditra, no manentsina ny mason-koditra ka mandrisika ny fipoitran’ny « points noirs ». Matetika izy ireo dia vokatra mitahiry akora matavy (solutions grasses) na koa vokatra ratsy kalitao sy tsy zakan’ny hoditra.

Fahazaran-dratsy eo amin’ny fomba fiaina

Isan’ny mampisy « points noirs » ihany koa ny fahazaran-dratsy eo amin’ny fomba fiaina, toy ny fihinana sakafo matavy na be siramamy matetika. Voakasik’izany ihany koa ny fifohana sigara na fijanonana matetika akaikin’ny setroka sigara.

Fananana hoditra matavy (peau grasse)

Matetika hipoitran’ny « points noirs » kokoa ireo olona manana karazana hoditra matavy raha oharina amin’ireo olona hafa. Misokatra kokoa mantsy ny mason-koditr’izy ireo ary mamokatra « sébum » betsaka kokoa ihany koa ny hoditra. Arak’izany dia mora tsentsin’ny « sébum » sy ny sela maty ny mason-koditra ary mivadika ho « points noirs » izany rehefa tratry ny rivotra.

Ireo torohevitra hiadiana amin’ ny « points noirs »

Maro ireo fomba azo atao hiadiana amin’ny « points noirs ». Anisan’izany ny :

Fisasana tarehy amin’ny entona

Ny fisasana tarehy amin’ny entona dia mamono ireo bakteria miraikitra amin’ny hodi-tava ary mampisokatra ny mason-koditra. Izany hoe mampangotraka rano amin’ny vilany ary manakaiky ilay entona iny mandritra ny 2 minitra. Fafana moramora amin’ny « coton » avy eo ny tarehy. Atao indray mandeha isan-kerinandro izany ahafahana manala mora kokoa ireo « points noirs ». Afaka atao ao an-trano fa afaka atao any amin’ny « salon de beauté » azo antoka ihany koa izany.

Fikolokoloana tsara ny hodi-tava amin’ny andavanandro

Alohan’ny hisafidianana ny fikolokoloana ny hodi-tava dia mila fantarina aloha ny karazan’ny hoditra. Tsara raha manantona manam-pahaizana manokana amin’izany toy ny « dermatologue » na « esthéticienne » mba ahafantarana hoe matavy, maina sa « normale » ny hoditra. Avy eo vao misafidy ireo « produits » ampiasaina hikarakarana izany. Diovina sy hamandinina isan’andro ny hoditra.

Fanantonana mpitsabo raha mirongatra be ny « points noirs »

Raha efa narahana tsara ireo torohevitra ireo nefa mbola tsy mety afaka na mirongatra be ny « points noirs » dia mila manantona mpitsabo na « dermatologue » mba ahazoana ny fitsaboana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires