• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Simple & Gourmand
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « chipettes » na « chips aux crevettes »

12/06/2024 13:39 © Moov.Mg

Tsakitsaky efa fahitantsika eny amin’ny mpivarotra mahazatra eny ny « chipettes » na « chips aux crevettes ». Efa misy moa ireo vokatra efa vonona ampiasaina ka manendy fotsiny sisa no atao rehefa ao an-trano. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra ny « chipettes » ao an-trano ka toy izao ny fomba fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « chipettes »

-« Farine de manioc » 180 g ;
-Crevettes efa voavaofy singany 10 ;
-Rano mangatsiaka ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny « crevettes » avy eo potehina anaty « mixeur ». Tsy avela hisy tambaingambaingany fa atao tena potika tsara mihintsy.
Rehefa vita dia afindra anaty « bol » lehibe na anaty « saladier ». Arotsaka ao ny « farine de manioc », ny rano sy ny sira. Tsy voafaritra mazava ny rano fa tapohana hatrany mandrapahazoana paty matsora.
Ataingina ambony afo ny lapoaly tsy mampiraikitra sakafo (non adhésif). Lalorina manify eo amboniny, toy ny mandoko, ny paty nokarakaraina teo. Miendaka ho azy moa io paty io rehefa vita. Tohizana hatrany mandrapahalany ny paty ambiny.
Rehefa vita daholo dia tetehina araka izay endrika sy habe hitiavana azy. Aorian’izay dia alahatra eo ambony « plateau » na lovia lehibe ary hatapy amin’ny masoandro.
Vonona ny « chipettes » na « chips aux crevettes » manta rehefa maina tsara. Endasina amin’ny menaka mafana tsara toy ny mahazatra ireo « chipettes » manta ireo dia vita. Mikarepoka sy malefaka tsara izy io ary tena matsiro tokoa rehefa hoanina vao mafana iny !

Lire la suite

Articles Similaires