• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Www.Lepreaubois.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikolokoloana ny fela-tanana mba tsy ho makiana rehefa ririnina

05/06/2024 09:01 © Moov.Mg

Isan’ireo olana mitranga rehefa ririnina ny hoe lasa makiana sy toa marokoroko ny fela-tanana. Ny hatsiaka, ny fikarakirana rano mangatsiaka rehefa manasa lamba sy lovia… maro ireo antony manimba ny fela-tanana rehefa mangatsiaka ny andro. Araho ary ireo fikolokoloana ny fela-tanana mba tsy ho makiana rehefa ririnina.

Mitandrina tsara rehefa manasa tanana mandritra ny ririnina

Miantoka ny fahasalamana ny fanasana tanana matetika, eny na dia mangatsiaka aza ny andro. Mba hiarovana ny fela-tanana mba tsy ho makiana dia tsara raha rano matimaty hatrany no ampiasana rehefa manasa tanana. Manimba azy ny rano mangatsiaka sy ny rano mafana rehefa ririnina. Savony misy « glycérine » natoraly no ampiasaina mba hiaro ny hoditra tsy ho maina sy vakivaky. Avela ho maina ho azy ny tanana na somary petapetahana mora amin’ny serveta fa tsy fafana be.

Hamandinina amin’ny « soin hydratant » ny tanana sy ny fela-tanana

Mba hiarovana ny fela-tanana mba tsy ho makiana dia hamandinina amin’ny « soin hydratant » isan’andro ny tanana. Ireo vokatra natoraly manome sakafo ny hoditra no ampiasaina. Anisan’ny mandaitra indrindra amin’izany ireo menaka sy dibera azo amin’ny zavamanary toy ny « huile de coco », ny « huile d’amande douce », ny « huile de jojoba », ny vahona, ny 3beurre de karité » … Mba handaitra kokoa izany fikolokoloana ny fela-tanana izany dia tsara raha rehefa mbola mandomando kely iny no hosorana ny « soin hydratant ».

Arovana amin’ny hatsiaka ny tanana

Toy ny tarehy, ny tanana no faritra hiaran’ny hatsiaka indrindra amin’ny vatana mandritra ny ririnina. Mba hampafana azy hatrany dia fonosina « gants » ny tanana. Mampihena ny fahaverezan’ny rano manamandina ny hoditra izany. Rehefa manao raharaha ao an-trano, toy ny rehefa manasa lovia, manasa trano sy fitaratra… dia mila mampiasa ny « gants » natokana ho amin’izany ihany koa. Mahamaina ny fela-tanana tokoa mantsy ny fikirakirana ireo « produits » ampiasaina amin’ny fanadiovana mandritra ny andro mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires