• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Demotivateur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « sauce fromage »

04/06/2024 13:39 © Moov.Mg

Karazana fangaro iray matsiro hinanana tsakitsaky maro samihafa toy ny « pomme frite » na ovy nendasina ny « sauce fromage ». Mora karakaraina, tsy mila akora be loatra nefa dia tena matsiro tokoa izy ity. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « sauce fromage »

-Dibera malemy 2 sotro fihinanana ;
-Lafarina 2 sotro fihinanana ;
-Ronona 1 kaopy ;
-Fromazy masira voakiky 1 kaopy ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana arahina amin’ny fikarakarana azy

Ataingina ambony afo malefaka ny vilany ary atsonika ao ny dibera. Rehefa mitsonika ny dibera dia arotsaka ao ny lafarina. Aroharoana hatrany mandrapifangaro tsara sy miova loko azy.
Arotsaka indray ny ronono. Aroharoana tsara hatrany mba tsy hisy tambaingana miforona. Lasa mihamarihitra io fangaro io rehefa tohizana aroharoana ambony afo malefaka.
Rehefa lasa marihitra tsara dia alefa ao ny fromazy voakiky. Aroharoana hatrany mandrapitsonika tsara ny fromazy sy malama tsara ny fangaro.
Asiana sira sy dipoavatra ary afangaro tsara hatrany.
Esorina ambony afo ny vilany ary avela hangatsitsiaka vao ampiasaina ny « sauce fromage ».

Fanamarihana

Mba ahazoana « sauce » malama tsara toy ny « crème » dia tsara raha ireny karazana fromazy « cheddar » ireny no ampiasaina.
Raha hita fa mora marihitra be ny « sauce fromage » eo am-pandrahoana azy dia afaka tapohana ronono kely mba halefaka.
Fomba fototra fikarakarana ity karazana « sauce » ity ihany io nozaraina teto io. Afaka ampiana episy na hanitra izay tiana ihany koa izy io rehefa mikarakara azy.

Lire la suite

Articles Similaires