• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dna
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra natoraly manatsara ny torimaso rehefa alohan’ny hatory

04/06/2024 10:45 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo sahirana mahita tory sy ireo tapa-tory lava. Anisan’ny mahatonga izany ny rarin-tsaina, ny olana ara-pahasalamana, ny adin-tsaina… Sarobidy ho an’ny fahasalamana ny fahampiana torimaso ka mila manantona mpitsabo raha tsy mety mahita tory mandritra ny andro maro. Misy ihany koa etsy andaniny ireo torohevitra natoraly manatsara ny torimaso tsara atao.

Misotro ronono mafana rehefa avy misakafo hariva

Mandrisika ny famokarana « mélatonine » ao amin’ny atidoha ny fisotroana ronono mafana 1 kaopy na 1 vera. Manankarena singa antsoina hoe « tryptophane » ny ronono ary izy io singa io no avadiky ny vatana ho lasa « sérotonine ». Rehefa avy misotro ronono mafana dia mitony sy mahazo aina ny vatana sy ny saina. Noho izany antony izany no tsara hisotroana azy ireo rehefa avy misakafo hariva, alohan’ny handehanana matory. Ho an’ireo tsy mahazaka ronono velona dia azo soloina ronono soja ihany koa izy io.

Mandro sy milona anaty rano mafana alohan’ny hatory

Isan’ireo fomba iray mandaitra indrindra amin’ny fanatsarana ny torimaso ny milona sy mandro anaty rano mafana. Izany hoe mitsofoka anaty « baignoire » nasiana rano mafana mihintsy. Manatsara ny fikorian’ny rà sy amin’ny fampitoniana ny havizanana sy ny rarintsaina ny filomana anaty rano mafana. Tsara raha asiana sira io rano io mba hampitony kokoa. Atao ora 1 na 2 alohan’ny hatory izany fandroana izany. Voalaza fa vetivety dia mahita tory rehefa avy manao azy io.

Misotro dite « camomille » hanatsarana ny torimaso

Zavamaniry iray manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny vatana sy ny saina ny « camomille ». Efa maro tokoa ny mampiasa azy io atao dite any ivelany any. Ahitana singa iray atao hoe « apigénine » ao anatin’ny « camomille ». Io singa io dia manampy ny atidoha mba hitony sy mora mahita tory. Ankoatra izay dia mampihena ny tebiteby sy ny rarintsaina ny fisotroana ny dite vita amin’io zavamaniry io. Tsara raha sotroina, tsy asiana siramamy, isaky ny alohan’ny hatory.

Mihinana sakafo manankarena « magnésium »

Rehefa miady saina na misy rarin-tsaina ny olona iray dia mitroka betsaka ny tahirin’ny « magnésium » ao anatiny ny vatana mba ampitoniana ny saina. Raha toa ka tsy ampy « magnésium » ny sakafo hoanina dia lasa ritra ny tahiry anaty vatana ka lasa mahatonga fahakizitinana sy fikorontanan’ny torimaso matetika izany. Raha mahatsiaro tsy mahita tory na ratsy torimaso matetika dia tsara raha mihinana sakafo manankarena « magnésium » matetika. Tsara ihany koa raha manantona mpitsabo hijerena sao mila mampiditra fanafody na fanampin-tsakafo ahitana « magnésium ».

Lire la suite

Articles Similaires