• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Calculersonimc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny atao hoe « regime monodiète »

03/06/2024 14:34 © Moov.Mg

Fomba fisakafoanana iray mifantoka amin’ny fihinanana karazana sakafo iray mandritra ny fotoana voafaritra ny atao hoe « monodiète ». Efa maro eto amintsika no mampihatra azy io. Fa ahoana tokoa moa ny fanaovana « régime monodiète » ? Inona ny vokatsoa azo avy amin’izany ary inona no mety ho vokadratsiny ?

Inona no atao hoe « régime monodiète » ?

Araka ny efa nambara teo ambony dia « régime » iray miompana amin’ny karazana sakafo tokana mandritra ny 1 hatramin’ny 3 andro ny « monodiète ». Izany hoe misafidy sakafo iray, ohatra hoe akondro, ary iny irery ihany no hoanina maraina, atoandro, hariva. Afaka misotro rano anaty tontolo andro fa tsy azo mihinana siramamy kosa nefa. Amin’ny ankapobeny dia voankazo, legioma sy vary no betsaka misafidy amin’ny fanaovana « régime monidiète ».
Mba hisorohana ireo mety ho vokadratsin’ny « régime monodiète » dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo alohan’ny hanombohana izany, indrindra ireo efa manana olana ara-pahasalamana. Tsara ihany koa raha sakafo mahasalama sy be otrikaina no safidiana rehefa manao « monodiète ». Tsy adinoina ny misotro rano tsara mandritra ny fanaovana azy io. Raha toa ka mahatsiaro tsy mahazo aina na reraka loatra dia hajanona avy hatrany ilay « régime ».

Inona ireo mety ho vokatsoa azo amin’ny fanaovana « régime monodiète » ?

Maro ireo vokatsoa azo amin’ny fampiharana ny « régime monodiète », anisan’izany ny :
-Fampihenana vatana haingana kokoa. Satria tokoa mantsy voafetra be kaloria miditra anatin’ny vatana mandritra ny « monodiète » dia lasa mora mihena ilay olona ;
-Fanadiovana ny ao anaty. Voalaza fa manampy betsaka amin’ny fanesorana ireo « toxines » ary manadio ny ao anaty ny fanaovana « régime monodiète » ;
-Fanatsarana ny fandevonan-kanina. Mihena ny ezaka ataon’ny taova fandevonan-kanina rehefa karazana sakafo tokana ihany no levonina.

Ireo mety ho vokadratsy ny « monodiète »

Mety misy ihany koa ireo vokadratsin’ny fanaovana « régime monodiète », toy ny :
-Tsy fahampian’ny otrikaina ilain’ny vatana. Sarotra tokoa mantsy ny ahazoana ireo otrikaina rehetra ilain’ny vatana anaty karazana sakafo tokana ;
-Havizanana sy aretina an-doha. Ny famerana ara-kalorika sy ny fiovan’ny fomba fisakafoanana dia mety hiteraka harerahana sy aretina an-doha ;
-Fikorontanan’ny kibo. Mety hampivalana na hampitohana ny fihinanana karazana sakafo tokana amin’ny fatrany betsaka kokoa ;
-Fikorontanan’ny hangezana. Satria mihena haingana be ny lanja rehefa manao « monodiète » dia mety hiverina ho ngeza indray rehefa tapitra ilay « régime ».

Lire la suite

Articles Similaires