• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Bisikileta : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

03/06/2024 09:54 © Moov.Mg

Marihana isan-taona, isaky ny faha 3 ny volana jona, ny andro maneran-tany ho an’ny bisikileta. Raha kilalao izy io ho an’ny ankizy dia fitaovam-pitaterahana na koa fitaovana fanaovana fanatanjahantena kosa izany ho an’ny lehibe. Maro ny vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana azo amin’ny fizarana mitaingina bisikilita. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Manampy amin’ny fitaizana vatana ny bisikileta

Isan’ireo fitaterana sy fitaovana fanatanjahantena manampy amin’ny fitaizana vatana ny bisikileta. Rehefa mamoy azy io mantsy isika dia mihetsika sy miasa ny vatana manontolo. Rehefa miasa ny vatana dia miasa tsara avokoa ireo taova manan-danja lehibe amin’ny vatana, toy ny fo, ny atidoha, ny avokavoka, ny taova fandevonan-kanina…
Ny fitaingainana bisikileta matetika dia manatsara ny fivezivezen’ny rivotra anaty avokavoka ka mahatonga ilay olona ho afaka miaina(respirer) tsara kokoa. Ankoatra izay dia mampitombo ny herin’ny hozatra ary manatsara ny fikorian’ny rà ihany koa izany. Satria moa fanatanjahantena tsy mampiasa fonjam-by ny bisikileta dia tsy atahorana hankarary ny vanintaolana ny fitondrana azy ireny.

Manampy amin’ny fisorohana tavy diso tafahoatra

Ny fanaovana fanatanjahantena matetika dia mandoro ireo tavy amin’ny vatana. Ny fitaingainana bisikileta dia azo sokajiana ho fampihetseham-batana malefaka. Azo atao isan’andro moa izy io na atao fitaovam-pitaterana entina miasa isan’andro.
Toy ny ankamaroan’ny fanantanjahantena dia manala ireo tavy mihoatra anatin’ny vatana ary misoroka ny tavy diso tafahoatra ny fitondrana bisikileta. Mila atao matetika sy tsy latsaky ny 10 minitra kosa nefa ny fitaingainana azy io mba ahitana vokatsoa vetivety kokoa.

Miaro amin’ny karazana areti-mitaiza maro

Araka ny voka-pikarohana notanterahina tany « Danemark » ny taona 2016 dia voalaza fa misy fiantraikany amin’ny fisorohana ny diabeta ny fitaingainana bisikileta isan’andro. Voalaza fa mihena 20% hatramin’ny 40 % ny risika mety ahavoa izany. Ny angovo ampiasain’ny vatana rehefa mamoy bisikileta dia mampiasa sy manala haingana ny siramamy ratsy anaty vatana.
Ankoatra ny diabeta dia manatsara ny fiarovana ny vatana amin’ny aretina mitaiza toy ny fiakaran’ny tosi-drà, ny « cholestérol », ny homamiadan’ny tsinay, ny aretina mahazo ny taolana sy ny vanintaolana… Mazava ho azy fa mila atao matetika izany fitaingainana bisikileta izany raha te hisitraka ireo vokatsoa ara-pahasalamana ireo.

Manatsara ny fiasan’ny atidoha

Toy ny fanatanjahantena rehetra dia mandrisika ny famokarana ny tsiry mpanentana atao hoe « endorphines » ny fitaingainana bisikileta. Ny « endorphines » dia miasa amin’ny fampitoniana ny tebiteby, ny rarintsaina sy ny fahaketrehana.
Mahazo « oxygène » tsara kokoa ny atidohan’ireo olona mitaingina bisikileta isan’andro. Rehefa mahazo aina tsara ny atidoha dia lasa miasa tsara. Mitombo miaraka amin’izany ny fifantohana sy ny fitadidiana.

Lire la suite

Articles Similaires