• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Foodies
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana « poisson au coco »

31/05/2024 14:48 © Moov.Mg

Nahandro iray isan’ny mampalaza ny sakafo malagasy ny « poisson au coco » na trondro nandrahoina miaraka amin’ny voanio. Misy karazany maro moa ny fikarakarana sy ny fomba fandrahoana azy ity. Isan’ireo fomba tsotra sy matsiro afaka hikarakarana « poisson au coco » no entina eto anio.

Ireo zavatra ilaina raha hahandro « poisson au coco »

-Trondro tilapia na izay trondro tsy dia be taolana izay tiana 1 kg ;
-Voanio matoy tsara 1 ;
-Tongolo 4 ;
-Rano matimaty 0,5 l ;
-Sauce huître 1 sotro fihinanana ;
-Sira ;
-Menaka.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « poisson au coco »

Kikisana sy diovina ny trondro. Raha trondro lehibe dia afaka tetehina roa fa raha kelikely dia azo avela amin’izao. Didiana amin’ny antsy ny ambadika sy ny ambadika amin’ny vatany mba hiditra tsara amin’ny nofony ny sira. Atao anaty lovia jobo lehibe ary avela hilona eo amin’ny 30 minitra eo ho eo.
Afanaina anaty lapoaly jobo ny menaka. Rehefa mafana tsara dia endasina ao ny trondro. Tsy atao mifanetinety loatra rehefa manendy azy sao miraikitra be rehefa avadika.
Kikisana ny voanio dia alefa anaty « mixeur » miaraka amin’ilay rano matimaty. Potehina eo mandritra ny 1 minitra eo ho eo avy eo tatavanina dia fihazana tsara ny ranony. Raha tsy mahita voanio dia afaka mampiasa « lait de coco » avy hatrany.
Tetehina ny tongolo. Maka vilany hafa madio dia alahatra ao ireo trondro rehetra voaendy. Ataingina ambony afo malefaka ary arotsaka ao ilay ranona voanio nokarakaraina teo, ny sauce huître sy ny sira. Rehefa manomboka mangotraka dia arotsaka eo amboniny ny tongolo voatetika. Saromana ary avela hiketrika 5 minitra amin’ny afo malefaka.

Lire la suite

Articles Similaires