• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Allrecipes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « churros » ao an-trano

29/05/2024 08:22 © Moov.Mg

Sakafo iray mora atao sy ankafizin’ny ankizy ny « churros ». Azo atao « goûter » na koa amidy hitadiavana vola moa izy ireny. Sady matsiro tokoa mantsy no tsy be masonkarena. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « churros » ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « churros »

-Rano 200ml ;
-Lafarina 250g ;
-Dibera 50g ;
-Atody 3 ;
-Siramamy izay fatra tiana ;
-Sira 1 tsongo ;
-Menaka hanendasana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « churros »

Arotsaka anaty vilany ny rano, ny dibera, ny siramamy sy ny sira. Ataingina ambony afo ary avela hangotraka.
Rehefa mangotraka mivadibadika dia arotsaka ao ny lafarina. Atao malefaka ny afo ary aroharoana tsy ankiato ireo fangaro.
Rehefa tohizana haroharoina dia lasa mitambatra ilay paty ary farany manome boribory (boule) iray. Aorian’izay dia afindra anaty « bol ».
Arotsaka miaraka aminy ao ny atody 1. Kapohana ilay paty nampiana atody mba hitambatra tsara. Avy eo arotsaka indray ny atody faharoa ary kapohana mba hitambatra tsara. Alefa ao ny atody fahatelo farany ary kapohana tsara mba hitambatra.
Vita izay ny paty. Atao anaty « poche » nasiana « douille forme étoile » mba hanomezana ilay endrika hafantarana ny « churros ».
Hafanaina anaty lapoaly jobo ambony afo malefaka ny menaka. Alefa tsikelikely ny paty, izany hoe potserina ny « poche » avy eo tapahana amin’ny antsy na kofehy arak’izay halavana hitiavana azy.
Endasina mandrapa menamena sy mendy azy ireo « churros ». Apetraka eo ambony « serviette de table » rehefa loharana mba ho afaka ny menaka. Afaka fafazana siramamy eo amboniny mba hanomezana endrika azy rehefa ho aroso.

Lire la suite

Articles Similaires