• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « cheesecake »

28/05/2024 14:11 © Moov.Mg

Anisan’ny mofomamy fanao tsindrin-tsakafo be mpankafy ny « cheesecake ». Arak’izany anarany izany dia karazana mofomamy vita amin’ny fromazy moa izy io. Matsiro ary mitondra otrikaina maro moa ny « cheesecake ». Araho eto ary ny fomba tsotra fanamboarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « cheesecake » ao an-trano

Ireo ilaina amin’ny fanaovana ny « appareil » na ny « garniture »

-« Fromage blanc » 500 g ; à 40% de matière grasse
-« Crème fraîche » 30 cl ;
-Siramamy 70 g ;
-« Sucre vanillé » 1 fonosana ;
-« Maïzena » 1 sotro fihinanana ;
-Sira 1 tsongo ;
-Atody 3.
Ireo ilaina amin’ny paty
-Dibera 60 g ;
-« Biscuits petit-beurre » na izay « biscuits » tiana 300g ;
-Vovoka kanelina 4 tsongo ;
-« Sucre vanillé » 1 fonosana.

Fomba fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 150°C ny lafaoro.

Hatsonika ny dibera. Tapatapahana ny « biscuits » ary potehina anaty mixeur miaraka amin’ny dibera avy natsonika, ny vovoka kanelina sy ny ny « sucre vanillé ».
Hosorana dibera ny « moule ». Ilay karazana « moule » somary jobo toy ny fampiasa amin’ny « gratin » no ampiasaina.
Arotsaka anaty « moule » ilay paty vita amin’ny « biscuits » nopotehina teo. Atao mifatratra tsara amin’ny vodin’ilay « moule » mba hikambana tsara. Afaka tsindrina amin’ny sotro raha sarotra mifatratra.
Afangaro amin’ny « fouet » ao anaty « saladier » ny « fromage blanc », « crème fraîche », siramamy, « maïzena », « sucre vanillé » ary sira. Araraka ao manarak’izay ny atody ary tohizana kapohana hatrany ny fangaro.
Arotsaka eo ambonin’ilay paty ao anaty « moule » ilay fangaro nokarakaraina farany io. Andrahoina ao anaty lafaoro mandritra ny 40 minitra eo ho eo.
Rehefa masaka dia avoaka ary avela mangatsiaka vao esorina avy ao amin’ny « moule ». Ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 1 alina tontolo izay vao haroso.

Lire la suite

Articles Similaires