• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo torohevitra hiarovana ny volo amin’ny hatsiaka

28/05/2024 10:13 © Moov.Mg

Tafiditra anaty vaninandro rininina tanteraka isika izao. Rehefa tratry ny hatsiaka ny volo dia lasa mora makiana, tapatapaka, miongotra… Mba hiarovana ny volo amin’ny hatsiaka ary dia ireto misy fahazarana sy torohevitra hikolokoloana azy amin’ny andavanandro.

Fitaovana natoraly hatrany no atao mifampikasoka amin’ny volo

Rehefa mangatsiaka ny andro dia maro amintsika no manana fahazarana manao « bonnet » na « écharpe » hiarovana ny loha sy ny sofina amin’ny hatsiaka. Tsara raha ireo vita amin’ny lamba natoraly, toy ny « laine » na « soie » no ampiasaina. Mampihena ny « électricité statique » mifampikasoka amin’ny volo sy manimba azy ireo lamba natoraly ireo. Raha azo atao ihany koa dia fihogo na borosy vita amin’ny hazo na amin’ny « poits de sanglier » no hibangoana ny volo mba hiarovana azy tsy ho mora simban’ny hatsiaka.

Fatorana ny volo rehefa mangatsiaka be ny andro

Tsy misalasala mamatotra ny volo rehefa tsapa fa mangatsiaka be ny andro. Mety avokoa na atao « chignon », na randranina na fintinina tsotra fotsiny ny volo. Izany dia mba hampihenana ny fikasohany amin’ny rivotra mangatsiaka sy ny herikerika. Tandremana kosa nefa mba tsy fehezina mafy loatra ny famatoram-bolo. Tsy fatorana isan’andro ihany koa ny volo manjary vao maika lasa tapatapaka sy simba. Raha azo atao dia tsy mampiasa « élastique » noho ity farany sarotra vahana ka lasa mampiongotra ny volo. Raha ilaina dia faranana na hanapahana kely ny volo.

Tsy mivoaka ny trano miaraka amin’ny volo mbola lena

Torohevitra iray hiarovana ny volo amin’ny vokadratsin’ny hatsiaka ihany koa ny fanamainana azy tsara rehefa avy sasana. Manimba ny volo ny mitondra volo mbola mando mivoaka ny trano rehefa mangatsiaka ny andro. Rehefa lena avy nosasana iny ny volo dia misokatra ireo « écailles capillaires » ka lasa mora hidiran’ny rivotra mangatsiaka. Raha tratr’izany matetika ny volo dia lasa makiana sy vakivaky. Raha maika hivoaka rehefa avy manasa loha dia aleo hamainina amin’ny « séchoir » na « brushing » amin’ny hafanana antonony. Tsy tsara ihany koa ny mamafa volo ela amin’ny serveta fa mahatonga azy ho lasa tapatapaka.

Mampiasa « masque hydratant » hanamandinana sy hiarovana ny volo

Fikolokoloana ny vola tsy azo idivirana ny fanaovana « masque hydratant ». Ilaina izy io hanomezana rano sy hiarovana ny volo tsy ho maina be. Rehefa vaninandro ririnina toy izao dia mila atao in-2 na in-3 mihintsy ny « masque hydratant ». Tsara kokoa raha akora natoraly no ampiasaina mba tsy atahorana hisy voka-dratsy ho an’ny volo. Azo amboarina ao an-trano rahateo koa moa izany. Anisan’ny « masque hydratant » afaka atao ohatra ny manafangaro « yaourt nature » 2 sotro fihinanana amin’ny vahona 2 sotro fihinanana sy tantely 1 sotrokely. Io no ahosotra amin’ny volo maina ary avela hilona 30 minitra. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra amin’ny « shampoing » malefaka.

Lire la suite

Articles Similaires