• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Supersmart.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny rivotra anaty tsinay na « gaz intestinaux »

27/05/2024 13:59 © Moov.Mg

Ny mikasika ny rivotra anaty tsinay na « gaz intestinaux » izay hataontsika hoe hetotra no andeha ho resahantsika indray. Avy aiza tokoa moa ny hetotra ? Midika fisian’aretina ve izy ireny rehefa ratsy fofona ? Inona ny mety aretina fonosin’izy ireny ?

Inona no antony mahatonga ny hetotra ?

Ny rivotra anaty tsinay na hetotra dia avy amin’ny fiasan’ny fandevonan-kanina ataon’ny bakteria mipetraka anatin’ny tsinay. Mampiasa « fermentation » moa ireo bakteria ireo mba hamotehana sy handevonana ireo sakafo anaty tsinay. Miteraka rivotra tsy mamoaka fofona ratsy moa izany fandevonana sakafo izany.
Amin’ny ankapobeny dia mamokatra rivotra anaty tsinay 13 hatramin’ny 21 isan’andro ny vatantsika. Rehefa miangona anaty tsinay ireo rivotra na « gaz » ireo dia lasa mangotika sy manaintaina ny kibo ary lasa mamoaka hetotra. Rehefa miha antitra dia lasa miha miadana ny fiasan’ny fandevonan-kanina. Lasa matetika kokoa ny fitohanana (constipation) ary mihabetsaka ny rivotra miangona anaty kibo ka mitombo arak’izany ny hetotra.

Inona no antony mahatonga ny hetotra ratsy fofona ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy tokony misy fofona ny « gaz intestinaux » vokarin’ny tsinay eo am-pandevonana ny sakafo. Matoa mamoaka fofona ratsy ny hetotra dia misy « souffres » izay ny sakafo nohanina. Raha mifangaro « azote » moa io « souffre » io dia izay no mahatonga ilay fofon-ketotra tena manempotra mihintsy.
Maro ireo karazana sakafo mitahiry « souffres » izay mahatonga ny rivotra anaty kibo hamoaka fofona ratsy. Anisan’izany ny :
-Legioma toy ny soflera, « brocoli », laisoa, « poivron » ;
-Voamaina toy ny tsaramaso, tsiasisa, « petits-pois » ;
-« Féculents » toy ny mofo dipaina, mofomamy, « céréales » ;
-Sakafo misy ronono ho an’ireo tsy mahazaka izany ;
-Zava-pisotro sy sakafo misy « édulcorants artificiels ».

Ireo aretina mety mampadefa rivotra maimbo matetika

Ankoatra ny sakafo misy « souffres » dia mety mahatonga hetotra ratsy fofona ihany koa ny aretina mahazo ny taovam-pandevonan-kanina izay azo avy amin’ny baketeria na amin’ny katsentsitra. Eo ihany koa ny fitohanana (constipation) matetika na mandritra ny fotoana maharitra. Rehefa miangona anaty tsinay ireo loto tokony hivoaka dia lasa mamokatra « gaz » ratsy fofona ireo bakteria mpandevona sakafo ao anaty tsinay.
Marihana fa raha mitsako misokatra ny vavatsika dia betsaka kokoa ny rivotra tafiditra ka mahatonga ny hetotra ho betsaka. Araka izany, ilaina ny mitsako mikombom-bava. Ireo olona mitebiteby sy miady saina ihany koa dia mandefa rivotra matetika kokoa satria manafaingana ny asan'ny tsinay izany ka betsaka ireo « gaz » no tsy voasivan'ny tsinay.

Lire la suite

Articles Similaires