• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Petits Plaisirs De Doro
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra sy matsiro fanamboarana « pain perdu »

26/05/2024 14:05 © Moov.Mg

Sakafo isan’ny matsiro sy tsy mila akora lafo ny « pain perdu ». Ireny « pains rassis » na amibina mofo nialin’andro ireny no ampiasaina hikarakarana azy. Afaka mampiasa mofo vaovao ihany koa nefa. Azo hoanina atao sakafo maraina na atao « goûter » moa izy io. Andeha ary atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « pain perdu ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pain perdu »

-« Pain rassis » 2 na mofo dipaina vaovao 1 ;
-Atody 3 ;
-Siramamy 3 sotro kely ;
-Ronono 0,5l ;
-Dibera na menaka hanendasana azy.

Fomba fikarakarana ny « pain perdu »

Kapohana miaraka anaty lovia jobo lehibe ny atody sy ny siramamy.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ronono efa masaka sy nampangatsiahana.
Tetehana ny mofo. Atao mirefy manodidina ny 1,5 sm ny hateviny.
Ajoboka anatin’ilay fangaro nokarakaraina teo ambony ny mofo voatetika. Avela hijanona kely mandritra ny segondra vitsy mba hiditra tsara anatin’ilay mofo ilay fangaro.
Afanaina anaty lapoaly ny dibera na ny menaka hanendasana. Avy eo arotsaka tsirairay ao ny mofo avy nilona atody sy ronono.
Endasina mandritra ny 5 minitra eo ho eo ny mofo avy eo avadika. Avela ho mendy 3 minitra dia esorina. Avela hitsiaka tsara ambony « serviette de table » ary aroso mafana.
Fanamarihana : matsiro kokoa ny « pain perdu » raha dibera no ampiasaina hanendasana azy. Azo asiana « sucre vanillé » ihany koa mba hanampy tsiro sy hanitra azy.

Lire la suite

Articles Similaires