• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Universpharmacie.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Gastro-entérite » : areti-kibo miseho matetika rehefa ririnina

23/05/2024 11:43 © Moov.Mg

Areti-kibo mety mahavoa ny ankizy sy ny lehibe ny « gastro-entérite » na ny « grippe intestinale ». Mety miseho amin’ny vaninandro rehetra izy io fa mirongatra kokoa rehefa ririnina. Fa inona tokoa moa ny aretina « gastro-entérite » ? Inona no mahatonga azy ? Ahoana ny fisehony ? Inona ny fitsaboana sy ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina « gastro-entérite » ?

Ny « gastro-entérite », antsoina ihany koa hoe « grippe intestinale », dia aretina mahatratra ny tsinay sy ny vavony. Amin’ny ankapobeny dia bakteria, viriosy na koa katsentsitra no mahatonga azy io.
Ny « gastro-entérite virale » na hoe vokatry ny viriosy no mateti-pitranga indrindra rehefa ririnina. Ny « gastro-entérite bactérienne » na hoe vokatry ny bakteria dia mahalana kokoa. Ny fivahinianana amin’ny toerana tsy ampy fahadiovana moa matetika no mety ahazoana azy io. Toy izany ihany koa ny « gastro-entérite parasitaire » izay azo amin’ny katsentsitra toy ny « amibes ».

Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina « gastro-entérite » na « grippe intestinale » ?

Amin’ny maha aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ny « gastro-entérite » dia toy ireto manaraka ireto ireo soritr’aretina mety hitranga :
-Mivalana ;
-Maloiloy ;
-Mandoa ;
-Manavy ;
-Mangorangorana na manakotsako ny vanintaolana ;
-Mangovitra ;
-Manaintaina ny vanony na/sy ny kibo.
Tsy voatery miaraka miseho avokoa moa ireo fambara ireo ary mety samihafa ny hamafiny eo amin’ny marary tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana loatra ny aretina « gastro-entérite » raha mahazo fitsaboana aloha. Raha toa ka mivalana matetika kosa ilay marary dia mety ho tratry ny tsy fahampiana rano (déshydratation). Mila manantona toeram-pitsaboana malaky satria mety mitarika amin’ny fahafatesana ny tsy fahaverezan-drano be loatra. Entina mpitsabo avy hatrany kosa ny zaza latsaky ny 3 volana raha hita fa marary kibo.

Ny fomba fifindran’ny aretina

Ny aretina « gastro-entérite » dia mety mifindra amin’ny alalan’ny :
-Fifampikasohana mivantana amin’ny olona marary ;
-Ny fihinanana sakafo na ny fisotroana rano mitondra otrikaretina na voaloton’ilay marary ;
-Fikampikasohana amin’ny zavatra iray tratry ny maloton’ilay olona marary.

Ny fitsaboana sy fisorohana ny aretina « gastro-entérite »

Miankina betsaka amin’ny otrikaretina nahatonga azy ny fomba fitsaboana ny « gastro-entérite ». Raha vokatry ny viriosy ilay aretina dia tsy misy fitsaboana manokana atao fa sitrana ho azy izany afaka roa na telo andro. Mila misotro rano betsaka ny marary, indrindra rehefa avy mandoa na mivalana. Tsy adinoina ny maka aina sy ny mihinana sakafo tsy mavesatra ho an’ny vavony. Omena « sels de réhydratation orale » na SRO ny zaza sy ny ankizy mba hanoherana ny fahaverezan-drano vokatr’ilay areti-kibo.
Raha toa kosa ka vokatry ny bakteria na katsentsitra ny « gastro-entérite » dia mila fitsaboana manokana avy amin’ny mpitsabo. Misy ireo fanafody ampiasaina amin’izany. Noho izany raha tsy sitrana anaty roa andro, raha mivalana na mandoa matetika be, tsy mety miafana ny fanaviana dia mila manantona mpitsabo mba ahazoana ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.
Mba hisorohana ny aretina « gastro-entérite » dia tandremana tsara ny fahadiovan’ny sakafo hoanina sy ny rano sotroina. Tsy adinoina ny manasa tanana hatrany rehefa alohan’ny hinanana sakafo. Atokana hatrany ny fitaovana ampiasain’ny olona marary tratry ity aretina ity ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires