• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aesio Mutuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fahazarana manampy hiatrehana ny andro mangatsiaka

23/05/2024 10:11 © Moov.Mg

Rehefa vaninandro ririnina toy izao dia mila arovana amin’ny hatsiaka ny vatana. Izany dia mba hisorohana ireo otrikaretina entin’ny andro mangatsiaka ary koa mba ahafahana manatanteraka ny asa aman-draharaha amin’ny andavanandro. Ireto manaraka ireto ary ireo fahazarana manampy mba hiatrehana ny hatsiaka rehefa ririnina.

Misotro rano matimaty

Maro amintsika no efa manana fahazarana misotro zavatra mafana toy ny dite, kafe, lasopy… rehefa mangatsiaka ny andro. Mety mampafana eo no eo tokoa ny fisotroana azy ireny nefa koa vetivety dia misinda izany fahatsapana mafana izany. Amin’izay fotoana izay dia baikon’ny atidoha ny vatana mba handanjalanja ny hafanana ao anaty. Miteraka hatsembohana izany ka lasa mangatsiaka ho azy ny vatana. Mba hampaharitra ny hafanana entin’ireny karazana zava-pisotro sy sakafo ireny dia tsara raha endrasana matimaty vao sotroina na hoanina.

Miotra matetika

Fomba iray manampy betsaka hiadiana amin’ny hatsiaka mandritra ny ririnina ny fiorana matetika. Atao isan’andro raha azo atao. Orina mandritra ny 1 minitra eo ho eo ny lamosina, ny sandry ary ny soroka. Mandrisika ny fikorian’ny rà ny fanaovana izany ka manafana ny vatana. Tsy adinoina ihany koa ny manafana matetika ny felatanana amin’ny fampikasohana azy roa matetika anatin’ny tontolo andro. Rehefa vita izay dia orina moramora ihany koa ny tarehy. Ity farany moa no tena iharan’ny hatsiaka ka manampy amin’ny fiarovana azy ny fanorana azy moramora.

Manao akanjo mafana tsara

Mazava ho azy fa ny fanaovana fitafy mafana tsara no isan’ny fomba mandaitra indrindra hiatrehana ny andro mangatsiaka. Tsy voatery hoe manao akanjo maro sosona manavesatra ny vatana akora fa safidiana tsara fotsiny ny zavatra anaovana. Atao akanjo « coton » ny anatiny indrindra. Avy eo manao akanjobà matevina ary faranana amin’ny « blouson » na « manteau » maharo amin’ny rivotra sy ny herika. Tsy adinoina ny mandrakotra ny tanana sy ny tongotra. Rehefa mangatsiaka be tokoa mantsy dia mihatery ireo lalan-drà mankany amin’ireto farany mba hiarovana ny taova miasa be ao amin’ny vatana. Izay no mahatonga azy ireo mangatsiaka be foana. Mila arovana amin’ny « gants » sy kiraro mafana izy ireo mba hisorohana ny « crampes » sy ny « engelures ».

Manao fanatanjahantena

Maro amintsika no lasa malaina manao fanatanjahantena rehefa mangatsiaka ny andro. Ny fanetsiketsehana vatana nefa dia mampitombo ny famokaran’ny vatana hafanana sy ny fitahirizana izany ela kokoa. Ankoatra izay dia mandrisika ny fikorian’ny rà ary manatsara ny fiasan’ny fo ny fanaovana fanatanjahantena. Izany dia manampy betsaka ny vatana amin’ny fiatrehana ny hatsiaka. Tsy voatery manao fanatanjahantena mafy be fa ny fandehanana tongotra sy ny fikotranana ao an-trano dia ampy hanetsehana ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires