• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Allodocteurs
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fa maninona isika no mora andairan’ny sery kokoa rehefa ririnina ?

22/05/2024 14:50 © Moov.Mg

Efa miditra tanteraka anaty vaninandro mangatsiaka isika izao. Efa manomboka mamely ny sery sy ny kohoka. Samy tratra avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Fa inona tokoa ary ny antony mahatonga antsika mora andairan’ny sery sy gripa kokoa rehefa ririnina ?

Velona ela sy miparitaka kokoa ny viriosy rehefa ririnina

Maro ny viriosy velona ela kokoa rehefa mangatsiaka ny andro, anisan’izany ny « rhinovirus » izay mahatonga ny sery sy ny gripa. Miparitaka eny rehetra eny izy io rehefa entin’ny rivotra ka izay no mahatonga antsika betsaka voan’ny sery sy gripa rehefa ririnina. Etsy andaniny, rehefa ririnina dia maina kokoa ny rivotra hiainana. Mampahazo aina sy mampatanjaka ireo viriosy voalaza ireo izany ka izay indrindra no mampiparitaka ireo otrikaretina.

Mihena ny hery fiarovana amin’ny andro mangatsiaka

Misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny hery fiarovana ao amin’ny vatana ny andro mangatsiaka. Mihena tokoa mantsy ny hery fiarovana miaro ny taovam-pisefoana ka lasa mora tafiditra sy mahazo vahana ny viriosy mahatonga ny sery sy ny gripa. Ankoatra izay dia somary malaina manao fanatanjahantena ary tsy dia mahazo vitamina D avy amin’ny masoandro ihany koa isika rehefa ririnina ka vao maika miha marefo ny hery fiarovana.

Mihibokiboka anaty toerana mihidy ka miparitaka ny viriosy

Rehefa ririnina toy izao dia satry foana hijanona anaty trano, lavitry ny rivotra sy ny hatsiaka. Hidiana avokoa ny varavarankely sy ny varavarana, na anaty birao na anaty fiara fitateram-bahoaka. Mazava ho azy fa rehefa miara mihoka anatin’ireny toerana mihidy ireny ny olona maro dia mora miparitaka ny viriosy mitondra ny sery sy ny gripa. Marihana fa mamindra anatin’ny faritra 2 metatra manodidina ilay olona marary ny viriosin’ny gripa sy ny sery.

Manamaina ny orona sy ny tenda ny hatsiaka

Ny hatsiaka dia manamaina ny maso sy ny « muqueuses » anatin’ny orona sy tenda. Amin’ny ankapobeny dia voatroka ny orona miaraka amin’ny rivotra ny viriosy mitondra ny sery sy ny gripa. Raha toa ka maina ny anaty orona sy ny tenda dia mora miraikitra ao ireo viriosy ka izay no mahatonga antsika mora andairan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires