• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Astuces De Grand-Mère
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo natoraly manampy amin’ny fanadiovana ny aty (foie)

21/05/2024 10:51 © Moov.Mg

Isan’ny aretina mampijaly tokoa ny aretin’ny aty. Mety ho tratr’izany avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Ny fiandronan’ny « toxines », anisan’izany ny avy amin’ny sakafo, ao amin’ity taova ity moa no antony lehibe mankarary azy. Ho fanampin’ny fitsaboana avy amin’ny mpitsabo dia misy ireo sakafo manampy amin’ny fanadiovana ny aty toy ireto atoro manaraka ireto.

Ny voasary

Ny voasary dia manankarena vitamina C. Ireto farany dia manadio ny aty amin’ny alalan’ny fanodinana ny « toxines » ho lasa singa mora levonin’ny aty sy ny vatana. Ny fihinanana voasary matetika dia manampy amin’ny fiadiana amin’ny aretina mahazo ny aty. Anisan’ny tsara indrindra ny misotro ranom-boankazo vita amin’ny voasary makirana. Tsara kosa nefa raha tsy asiana siramamy izy io fa mamina kely amin’ny tantely raha tsy zaka ilay marikivy.

Ny tongolo gasy

Ny tongolo gasy dia mitahiry « nutriments » roa atao hoe « allicine » sy « sélénium ». Izy ireo dia mandaitra amin’ny fanadiovana ny aty. Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fiarovana sy fampitomboana ny hery fiarovan’ny vatana. Mandrisika ny famokarana ny « enzymes » ao amin’ny aty ihany koa ny tongolo gasy. Rehefa betsaka ireo « enzymes » dia miasa tsara sy haingana kokoa ity taova ity amin’ny fanesorana ireo « toxines » mandalo ao aminy.

Ny tongolo (oignon)

Toy ny tongolo gasy dia ahitana « sélénium » sy « allicine » ihany koa ao amin’ny tongolo. Ankoatra izay dia mitahiry « potassium », fibra, « flavonoïdes » ary singa maro samihafa manamora ny fanadiovana ny aty ihany koa izy io. Etsy andaniny moa dia manatsara ny fiasan’ny taova fandevonan-kanina ny tongolo. Ilaina noho izany ny mihinana tongolo matetika raha mila manadio tanteraka ny aty. Tsara kosa nefa raha tongolo manta no hoanina mba ho voatahiry avokoa ireo singa ilaina aminy.

Ny betiravy

Isan’ny sakafo manankarena « antioxydants », vitamina B, « fer », « bétaïne », « bétanine » ary « fibre pectine » ny betiravy. Ny « pectine » dia manadio ny aty ary manome fahatsapana fahavokisana ny vatana. Izany hoe, lasa mihena ny fahazotoan-komana ary mihena miaraka amin’izay ny sakafo manavesatra ny vatana. Ireo singa ao amin’ny betiravy ihany koa moa dia manampy ny vatana amin’ny fanesorana ny « toxines » miangona ao aminy, indrindra ireo ao anatin’ny aty.

Lire la suite

Articles Similaires