• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Journal Des Femmes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana akoho sy olatra na champignons

17/05/2024 16:08 © Moov.Mg

Isan’ireo nahandro matsiro nefa tsy lafo be loatra ny akoho sy « champignons ». Maro rahateo ankehitriny ny mivarotra ireny « champignons » ireny eny an-tsena eny. Azo atao laoka tsara moa izy io ka dia atoro eto ny fomba tsotra hikarakarana azy io.

Ireo akora ilaina raha hanao akoho sy « champignons »

-Olatra 500g (ilay vidiana eny an-tsena eny) ;
-Akoho fakana nofony 500g ;
-Tongolo ;
-Voatabia ;
-Dipoavatra ;
-Persily ;
-Rano 1 kaopy ;
-Tongolo gasy ;
-Sira ;
-Sakamalaho.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Sasana tsara ny olatra ary avela hitsiaka anaty « passoire » ;
Tetehana ny akoho ary tetehana. Avela hitsiaka anaty « passoire » ihany koa ;
Hafanaina ny menaka anaty vilany ary arotsaka ao ny akoho. Asiana sira ary avela eo ambony afo mandrapaha mendimendy azy. Tsy endrasana mendy loatra koa nefa ;
Rehefa manomboka miova loko dia arotsaka ao anatiny ao ny tongolo sy voatabia voatetika. Alefa ao manarak’izay ny sakamalaho sy ny tongolo gasy voakiky ;
Avela hiketrika kely mandritra ny 3 minitra eo ho eo avy eo tapohana rano 1 kaopy. Saromana ny vilany ary avela hiketrika eo indray mandrapaha ritra azy. Azo tapohana rano kely indray mandeha raha hita fa mbola tsy masaka ilay nahandro ;
Rehefa ritra dia rarahana persily efa voadio sy voatetika madinika.

Lire la suite

Articles Similaires