• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sanytol
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny « acariens » sy ny atao amin’izy ireny

17/05/2024 10:06 © Moov.Mg

Isan’ireo anton-javatra mahatonga « allergie » ao an-trano ny « acariens ». Ny kidoro, ny lamban-pandriana, ny lamba firakotra, ny « rideaux »… no isan’ireo mitahiry azy ireny matetika. Mahatonga soritr’aretina mampijaly amin’ny andavanandro ny « allergie » vokatry ny « acariens ». Fa inona tokoa moa ny « acariens » ary ahoana no fomba atao hiadiana amin’ny firongatr’izy ireny ao an-trano ?

Inona no atao hoe « acariens » ?

Ny « acariens » dia « organismes microscopiques » anatin’ny fianakavian’ny ala. Miaina sy miroborobo ao anatin’ny vovoka ao an-trano izy ireo ary mivelona amin’ny « kératine » avy amin’ny vatan’olombelona, toy ny hoditra maty, ny volo, ny hoho. Mazava ho azy fa ao an-trano no ahitana azy betsaka, toy ny kidoro sy ireo seza mifono lamba, ny lamba firakotra sy ny fonon’ondana, ny « tapis » sy ny « moquettes », ny « rideaux » ary koa ireo toerana mandomando rehetra.
Araka ny voalaza teo ambony dia mahatonga « allergies » eo amin’ny olombelona ny « acariens ». Ny kaikitr’izy ireny dia miteraka hidihidy, aretin’ny taovam-pisefoana, orona jenjina lava… Marihana fa tsy mety fongatra tanteraka ny « acariens » ao an-trano. Misy kosa nefa ireo fomba azo atao ampihenana ny firongatr’izy ireny.

Torohevitra hiadiana amin’ny firongatry ny « acariens » ao an-trano

Maro ireo torohevitra azo ampiarina amin’ny andavanandro mba hiadiana amin’ny firongatry ny « acariens » ao an-trano sy hisorohana ny « allergie » vokatr’izy ireny :
Sokafana tsara hatrany ny varavarankely mba ho azon-drivotra tsara ny trano. Tsara raha vohaina mandritra ny 10 minitra isa-maraina sy isan-kariva ny varavaran-kely rehetra, indrindra ny ao amin’ny efitrano. Tsy adinoina ihany koa ny manokatra ireto farany rehefa mamafa sy manadio trano mba tsy hivoahan’ny vovoka ;
Safidiana tsara ny fitaovana handrakofana ny gorodona. Tsara raha atao « revêtement de sol » tsy mitahiry vovoka be loatra sy mora diovina toy ny « carreaux » na « parquet » no atao. Ny « tapis » sy ny « moquettes » tokoa mantsy dia mitahiry amandoana sy vovoka ka tena tian’ny « acariens » ;
Fonosina tsara ny kidoro izay vao asiana fononm-pandriana. Raha azo atao dia tsy atao amin’ny tany ihany koa izy io fa atao ambony farafara. Soloina matetika ny fonon’ny kidoro sy ny fonom-pandriana. Isaky ny hanolo fonon-kidoro dia hatapy andro manditra ny ora 1 fara fahakeliny ity farany vao averina fonosina.
Manao « grand ménage » matetika. Izany hoe ankoatra ny fanadiovana ny trano isan’andro dia mila diovina tanteraka mihintsy ireo fitaovana sy faritra sarotra diovina amin’ny andavanandro. Esorina avokoa ireo vovoka amban’ny farafara, soloina avokoa ny « rideaux », fafana tsara ny fanaka… Tsy adinoina ny manasa ny fonon’ny ondana, « coussins » sy ny lamban-tseza.
Raha efa voamarina fa misy tratry ny « allergie » vokatry ny « acariens » ny ao an-trano dia tsara raha soloina matetika ireo lambalamba mitahiry azy ireny voalaza eo ambony ireo. Raha azo atao dia rano mafana no hanasana azy ireny mba hamono ireo « acariens » miraikitra amin’izy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires