• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zava-pisotro Coca : Loza ho an'ny fahasalamana raha tsy voalanjalanja !

12/05/2024 06:05 © Moov

Tsy fety raha tsy misy Coca ! Tsy matsiro ny sakafo raha tsy asiana Coca eo ambony latabatra ! Tsy mahazo aina raha tsy misotro Coca kely isan'andro ! Mampahazo aina be ny Coca ! Tsy vitsy ireo mankafy io zava-pisotro iray io. Tsy azo lavina fa tsara tsiro sady toa mamelombelon'aina izy io, saingy tsy azo atao rano fisotro mba hitsinjovana ny fahasalamana.

Tsy voatery hahasoa avokoa izay vokatra rehetra amidy eny an-tsena. Anjaran'ny tsirairay no mamantatra izay tokony hanina sy sotroina, mba hitsinjovana ny fahasalamana. Tsy mampilaza ny aretina, nefa raha mihinana na misotro vokatra efa fantatra fa "manapoizina" ny vatana dia efa vonona ny amin'izay ho fiantraikany izany. Indrisy nefa, tsy voatery ho voatsabo ny fahasimban'ny taova ao anaty, ka izany indrindra no tsara hahafantarana ireto teboka maromaro mikasika ny Coca ireto.

Mamotika ny "reins"

Firifiry ireo marary voa eto Madagasikara ! Tsy ampy mihitsy ny fitaovana anaovana "dialyse", izay anoloan'ny "machine" ny asan'ny voa, dia ny fanadiovana ny rà. Tsy adino ny saram-pitsaboana izay an-tapitrisany maro.
Raha te hikolokolo ny voa àry, mila ferana ny fisotroana Coca. Ny kanetina Coca iray, amin'ny fatrany 33 cl, dia ahitana vaingan-tsiramamy miisa 7 be izao (35 grama). Rehefa tafahoatra nefa ny siramamy ao amin'ny vatana dia miha-sahirana ny voa manadio ny rà. Raha misotro Coca roa vera indroa isan'andro, na iray tavoahangy kely isan'andro, ny olona iray dia efa ambana lehibe ho an'ny fahasalaman'ny voany izany. Tsy adino ihany koa ny Diabeta izay mety ho azo avy amin'ny fisotroana Coca.

Manimba vavony sy nify

"Acide" ny "pH"-n'ny Coca. Voatazona izany na dia esorina aza ny "gaz". Misy mantsy ireo mihevitra fa tsy mankarary intsony ny Coca rehefa asiana siramamy kely. Manimba ny akanjo-nify io zava-pisotro io rehefa mitsofoka any am-bava. Raha efa somary tsy dia salama ny nify dia hihombo ireo "caries" ary mety hanaintaina hatrany amin'ny fakany mihitsy. Maharatsy vavony ihany koa ny Coca, indrindra moa fa raha noana no mihinana azy.

Mahatonga "dépendance"

Maherin'ny 2 miliara isan'andro no isan'ny kanetin'ny Coca lafo maneran-tany. Midika izany fa anisan'ireo zava-pisotro tena be mpanjifa izy. Tsy hoe be mpitia nefa dia "tokony" sotroina matetika. Marobe ireo olona lasa miankin-doha tanteraka amin'io zava-pisotro io. Ao ireo tsy mahazo aina, lasa be tebiteby, tsy mahavita zavatra firy raha tsy mandray Coca. Rehefa lasa "drogue" nefa io zava-pisotro io dia aretina no azo, na dia mety tsy hiseho eo no ho eo aza izany.
Misy ireo olona mpisotro Coca loatra no tsy ahitana trangan'aretina, saingy amin'ny fotoana tsy ampoizina iray no marary mafy. Rehefa jerena ny ao anaty dia lo avokoa ny taovam-pandevonan-kanina ka tsy misy azon'ny mpitsabo atao intsony. Tsara ny miezaka miresaka amin'olona akaiky na manantona psychologue raha misy olana saro-bahana ka mahatonga ny tena "hiboboka" Coca.

Mitarika aretina maro

Misy ny antsoina hoe "Caramel Synthétique" ny Coca. Mety mitarika homamiadana nefa io singa io. Mety ho voan'ny Cancer ny aty, ny tenda sy ny avokavoka. Ankoatra izay, ireto misy aretina mety azo avy amin'ny fisotroana Coca tafahoatra :
-Aretin'andoha, fangovitana, hypertension (noho ny "caféine" ao amin'ilay zava-pisotro) ;
-Fahatavezana na fahazoana lanja aingana loatra (obesité) ;
-Infection urinaire ;
-Aretin'ny fo, izay mety hahatonga fahafatesana tampoka (mort subite) ;
-Aretin'ny taolana (ostéoporose), noho ny "phosphore" izay manary ny "calcium" anatin'ny taolana ;
-Fikorontanan'ny torimaso. Mety tsy hahita tory mihitsy aza raha misotro coca harivariva na amin'ny alina.
Tena misy dikany tokoa matoa natao handemena hena sy hanadiovana loto sarotra diovina ao an-dakozia io zava-pisotro io.

Inona kosa àry no sotroina ?

Hafahafa be izany hoe tsy misotro Coca rehefa fety. Misy aza moa ireo mihevitra io zava-pisotro io ho anisan'ny "signes de la réussite et de la fortune". Ny fahasalamana nefa eto no tena resaka, ka andeha leferina na ny filàn'ny vatana na ny fisehoana ivelany :
-Tsy mahamenatra nefa tena mahasoa ny fisotroana "jus naturel", vita amin'ny voankazo hita eny an-tsena, arakaraka ny vanim-potoana. Kendrena mba tsy ho be siramamy nefa izany.
-Tsy hoe raràna ny fisotroana Coca, saingy tena ferana izany. Ampy tsara ho an'ny olona iray ny Coca iray na roa vera isan-kerinandro.
-Raha te hisotro Coca, dia tsara raha rehefa voky tsara iny. Kendrena ihany koa mba hahalany ny rano ilain'ny vatana isan'andro (1,5 litatra raha kely indindra).
-Ampahatsiahivina hatrany ny filàn'ny vatana sakafo ara-pahasalamana sady tsy misy fangaro simika, ka ny legioma sy ny voankazo no tsy maintsy hanina isan'andro.

Misy firenena tsy azo ampidirana Coca !

Fantaro àry fa misy firenena roa eto an-tany tsy mety mandray ny vokatra Coca : i Corée du Nord (nanomboka ny taona 1950) sy i Cuba (nanomboka ny taona 1962). Raharaha ara-barotra moa no tena antony andrarana ny fampidirana ny zava-pisotro ao amin'ireo firenena ireo. Heverina fa mahasoa kokoa ny fahasalaman'ireo mponina any an-toerana nefa izany.

Lire la suite

Articles Similaires