• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fromages Et Vins De Savoie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « boulette de pomme de terre » mikarepoka tsara

10/05/2024 16:13 © Moov.Mg

Nahandro mbola tsy dia mahazatra antsika indray ary no atoro eto anio dia ny « boulette de pomme de terre » izany. Mety tsara ho an’ireo tsy te hinan-kena moa izy ity satria dia legioma ihany no tena ampiasaina aminy. Azao atao laoka na tsakitsaky moa izy ity. Araho ary !

Ireo akora ilaina raha hanao « boulette de pomme de terre »

-Ovy 1kg ;
-« Fécule de maïs » 5 sotro fihinanana ;
-Karaoty 1 notetehana bitika kely ;
-Tongolo gasy notetehana madinika 3 sotrokely ;
-Sira araka ny fatrany hitiavana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ary andrahoina amin’ny hodiny ny ovy. Avela hangatsiaka kely dia voasana. Tsy endrasana mangatsiaka loatra manjary lasa sarotra voasana.
Rehefa voavaofy avokoa ireo ovy dia potserina amin’ny sotrorovitra. Atao potsitra tsara daholo fa tsy avela misy vaingany tavela.
Atao anaty lovia jobo lehibe ny ovy nopotserina ary arotsaka miaraka aminy ny « fécule de maïs », ny karaoty, ny tongolo maitso notetehana madinika kely ary ny sira.
Polesina tsara amin’ny tanana mba hifangaro tsara ireo akora rehetra. Rehefa vita dia volavolaina tsara ary omena endrika boribory na lavalava araka izay hitiavana azy.
Afanaina tsara anaty lapoaly jobo na anaty vilany saba ny menaka. Rehefa mafana tsara dia arotsaka ny « boulette de pomme de terre ». Rehefa mendimendy dia vita.
*Fanamarihana : *
Azo asiana toton-kena, nofon-trondro na nofon’akoho, « crevettes » … notetehana madinika kely ihany koa moa ity « boulette de pomme de terre » ity raha tiana hampiana tsiro hafa.

Lire la suite

Articles Similaires