• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Version Femina
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra sy sakafo ara-pahasalamana ho an'ireo te hitombo lanja

04/04/2024 11:39 © Moov

Ny mikasika ny fanenana vatana no resahina matetika, indrindra ho an'ny vehivavy. Misy kosa nefa ireo olona te hahazo lanja, na lahy na vavy. Tsy ny hatavy akory no tanjona fa ny mba hanana vatana voarafitra tsara.

Matetika dia efa vahana ny an'ireo olona somary kelikely. Misy ireo efa miteraka nefa mbola tsy mety mitombo ihany. Mba hitsinjovana ny fahasalamana nefa dia tsy azo atao latsaka loatra ny Indice de Masse Corporelle (IMC). Tsara raha mifanentana ny halavana sy ny lanja. Raha mirefy 1,60 metatra ohatra, dia tokony 55 hatramin'ny 65 kilao.
Ireto àry misy sakafo ara-pahasalamana natokana ho an'ireo te hahazo lanja :

Voankazo sy legioma

Mahasoa ny fahasalamana ny voankazo sy legioma. Ho an'ireo te hitombo vatana dia ireto ny vokatra natoraly tena tsara :
-Akondro, zavokà, voanio
-Voankazo maina (raisins secs, graines de lin, sns)
-Legioma be "amidon" (ovy, vomanga, mangahazo, sns)

Produits laitiers

Ilain'ny vatana ny fihinanana vokatra azo avy amin'ny ronono raha te hahazo aina kely. Manankarena vitamina, kalsioma sy proteina ny ronono velona, ny yaourt sy ny fromazy. Miezaha mihinana kely amin'ireo vokatra telo karazana ireo isan'andro.

Hena sy trondro

Efa faheno matetika ny hoe tsy dia tsara ho an'ny fahasalamana ny hena mena. Amporisihina àry ianao hihinana akoho amam-borona sy trondro, indrindra moa ireo trondron-dranomamy tsy mialon'andro. Mila proteina mantsy ny vatana mba hahazoana nofo tsara. Tsy adino ihany koa ireo hazan-dranomasina isan-karazany toy ny crevettes. Raha mora mangidihidy dia tokony mihinana voasary makirana hatrany isaky ny mihinana "fruits de mer".

Céréales

Tsy vahaolana velively ny fisesehanana vokatra azo avy amin'ny lafarinina. Raha te hahazo lanja sady salama tsara dia ireo "céréales complètes" no hanina. Jereo tsara ny soratra amin'ireny paty ireny, satria tsy izy rehetra no mahasoa. Tsy mety ihany koa ny mofo hita eny amin'ny mpivarotra enta-madinika fa aleo manantona "boulangerie" mba hahitana "pain complet"

Matavy

Tsy ny fihinanana hena matavy akory no resaka eto. Ilaina ny mihinana menaka mahasalama. Raha ny tena tsara dia tsy ny "huile de tournesol" na "huile de soja" fahita mahazatra eny amin'ny mpivarotra enta-madinika ireny. Aleo mampakatra ny vola ividianana menaka ka mihinana "huile d'olive" na "huile de colza".

Sakafo hafa mahasoa

Ireto avy ireo sakafo tsy voatanisa teo nefa ilain'ny vatana mba hampahazo aina azy :
-Atody
-Voamaina
-Voanjo
-Soja


Copyright Image : © Doctissimo

Mba hahazoana lanja ao anatin'ny fotoana fohy, ireto misy torohevitra vitsivitsy :
-Ilaina ny manao fanatanjahan-tena, na dia 15 minitra isan'andro aza. Raha tsy manam-potoana firy hikotranana, dia aleo mandeha an-tongotra kely ;
-Tsara raha ajanona ireo sakafo misy akora simika toy ny nouilles, ny vokatra anaty boaty, ny ranomboankazo misy siramamy artifisialy ;
-Aleo manamboatra fandaharam-potoana hahafahana mikarakara sakafo ao an-trano, mba handanjalanjana tsara ireo sakafo sy fangaro ampiasaina ;
-Raha noana eo anelanelan'ny sakafo roa dia aleo mihinana vonakazo ;
-Ilaina ny misotro rano (tsy misy siramamy) amin'ny fatra 1,5 hatramin'ny 2 litatra isan'andro.


Copyright Image : © Medisite

Lire la suite

Articles Similaires