• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torimaso : Ireo sakafo tsy tsara hoanina rehefa aloha ny hatory

26/02/2024 10:00 © Moov.Mg

Mora tapa-tory ve ianao na sahirana vao mahita tory ? Maro ny vokadratsin’ny tsy fahampiana torimaso. Izany indrindra no antony hametrahana fahazarana isan’andro mba hanatsara ny torimaso. Ankoatra izay dia misy ireo karazana sakafo tsara fadiana rehefa aloha ny hatory.

Ny salady

Maro amintsika ny mieritreritra fa sakafo maivana mora levonin’ny vavony ny salady ka tsara hoanina rehefa hariva. Marihana nefa fa sakafo manankarena rano izy ireny. Noho izany, tsy tsara ny mihinana azy ireny be loatra rehefa aloha ny hatory satria lasa te hipipy foana amin’ny alina ka manjary tapa-tory matetika.

Ny kiendiendy

Tafiditra anatin’ny atao hoe kiendiendy avokoa ny karazana nahandro nendasina rehetra, na ovy, hena, akoho, trondro… Rehefa avy nendasina ny sakafo dia mitroka sy mitahiry menaka, eny na dia notsihifina tsara aza. Sarotra ary ela kokoa izy ireny vao levon’ny vavony. Tsy tsara noho izany ny mihinana azy ireny rehefa aloha ny hatory satria lasa ela kokoa vao mahita tory.

Ny hena mena

Maro karazany ny hena mena, anisan’izany ny hen’omby. Manankarena « protéines » sy tavy tsy tsara ho an’ny vatana (mauvaises graisses) moa izy ireny. Mila fotoana maharitra ny vatana handevonana ireto farany. Izay indrindra no antony tsy hinanana azy rehefa hariva satria rehefa mbola miasa ny vavony dia ho sarotra aminao ny ahazo torimaso.

Ny sakafo masiaka

Sokajiana anaty sakafo masiaka avokoa na ny sakafo misy « épices » na ny sakafo misy « sakay ». Marihana nefa fa mahatonga « irritation » amin’ireo taova fandevonan-kanina ireny karazana sakafo ireny. Mety hamaivay avokoa na ny lela, ny tenda na ny vavony. Mety hanelingelina ny any anaty any ny hasiakan’ireo sakafo, indrindra amin’ny alina raha toa ka nohanina hariva izany.

Ny « caféine »

Singa iray hita anatin’ny zava-pisitro toy ny kafe, dite sy ny « colas » ny « caféine ». Ity farany dia manaitaitra ary manafaingana ny fiasan’ny atidoha. Tsy tsara sotroina rehefa hariva, indrindra rehefa aloha ny hatory, ireo zava-pisotro misy « caféine » noho izy ireo mety hanakorontana ny torimaso. Matetika tokoa dia tsy mampahita tory ary maha-tapa-tory izy ireny ka mitarika tsy fahampiana torimaso.

Lire la suite

Articles Similaires