• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « beignets de courgettes »

25/02/2024 14:14 © Moov.Mg

Legioma iray afaka ikarakarana nahandro karazany maro samihafa ny « courgettes ». Efa nentina teto ny fanaovana « courgettes farcies ». Atoro manaraka indray ary ny fomba fanaovana « beignets de courgettes ». Nahandro matsiro, mora karakaraina ary tsy lavo vidy izy ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « beignets de courgettes »

-« Courgettes » 2 ;
-Lafarina 150g ;
-Atody 1 ;
-Menaka ;
-Ronono tapaky ny vera ;
-Sira sy dipoavatra.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Sasana ny « courgettes » avy eo kikisana (râper) manify ao anaty « saladier ». Tsy voasana fa tonga dia kikisana miaraka amin’ny hodiny.
Arotsaka ao amin’ny « courgettes » voakiky ny lafarina, ny atody, ny sira, ny dipoavatra, ny ronono ary ny menaka 1 sotro fihinanana. Aroaharoana tsara ifangaro.
Tokony mahazo paty tsy marihitra be nefa tsy matsora be ihany koa rehefa mifangaro avokoa ireo akora ireo.
Afanaina anaty lapoaly « antiadhésive » na tsy mampiraikatra sakafo ny menaka hanendasana. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka tsikelikely ny paty 1 sotro fihinanana. Tsy atao mifaneritery be manjary mifampiraikitra.
Avadika rehefa hita fa somary mendy. Tsy avela ho mendy loatra fa rehefa mahazo loko dia masaka. Loharana eo ambony « papier absorbant » mba hiala ny menaka.

Lire la suite

Articles Similaires